Actualités

Mpanao “Gym” BAC Tovovavy 3 bevohoka ka najanona


  • Alakamisy 30 Jona 2016

Telo ireo tovovavy bevohoka fantatra fa bevohoka tsy afaka niatrika ny adina ara-panatanjahantena tetsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina nanomboka ny talata 28 jona teo.

 

 Tafiditra ao anatin’ireo 12 hafa  nanana olana sy aretina mitaiza izy ireo  ka tonga nampandre ny chef de centre LTC Ampefiloha  Rakotonindrina Dera niaraka tamin’ny  taratasy ara-dalàna avy any amin’ny dokotera. Ankoatra ireo voalaza ireo dia anisan’ny olana sedrain’ny chef de centre ihany koa ny fisian’ireo mpiadina tonga nefa tsy nahazo taratasy fiantsoana. Ireo candidat libre no fantatra fa tena lasibatr’izany noho ny fandefasana ny taratasy fiantsoana azy teny amin’ny paositra raha nomena tany an-tsekoly kosa ny an’ireo candidat d’école. Na izany aza anefa, hoy Rakotonindrina Dera dia efa vita anaty solosaina avokoa ny anaran’ireo mpiadina ka tao fotsiny no nikarohan’izy ireo ny anaran’izy ireo  dia voavaha ny olana. Ho an’ireo manana olana moa nefa tsy tonga manatona dia nanambara ity chef de centre ity fa hifarana ny 01 jolay ho avy izao ny adina ara-panatanjahantena ka raha vantany vao tsy tonga izy ireny dia tsy afaka miatrika ny adina an-tsoratra intsony. Tsiahivina fa miisa 8 167 ireo mpiadina nisafidy ny sokajy A2 manao adina ara-panatanjahantena ao amin’ity kianjaben’i Mahamasina ity. 4 514 amin’ireo no vehivavy raha 3 653 kosa ny lehilahy. 200 isa ireo fantatra mialoha fa hiatrika ny teoria ny 5 Aogositra ho avy izao.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • RAISSA RAZAIVOLA
  • Talata 03 Novambra 2026

Tazonina eny Fiadanana

  • 160 taona
  • Talata 03 Novambra 2026

nisian’ny gazety malagasy

  • Voasambotra noho
  • Talata 03 Novambra 2026

ny afera Kolonely Patrick

  • Diplaomasia,
  • Talata 03 Novambra 2026

fambolena, VISA,...

  • TSARAHONENANA
  • Talata 03 Novambra 2026

BEFANDRIANA

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

Hijery ny tohiny
FTT