Actualités

Mpanao gazety Tsy manaiky ary tsy hanaiky ny fanagejana


  • Zoma 01 Jolay 2016

Tontosa soa aman-tsara ny diabe notanterahin’ny mpanao gazety teto an-drenivohitra omaly.

Tetsy anoloan’ny gara Soarano no niainga ny filaharana nihazo ny lapan’ny Antenimieram-pirenena teny Tsimbazaza, ho fanoherana ny mety ho fandanian’ireo solombavambahoaka maimaika  ny lalàna mifehy ny fifandraisana sy serasera eto Madagasikara. Tsy nanaiky nandray ny mpanao gazety rehetra anefa ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena, nandritra izany, fa solontena ihany. Nandà ny mpanao gazety, ka rava maina ny fihaonana izay azo lazaina ho nafampana ihany. Tsy hijanona hatreo ny tolona fa mbola hitohy hatrany. Ho an’ny onjam-peo manokana dia hisy ny miara-manonja, na ny fampitoviana ny zavatra rehetra mandeha sy ny horenesin’ny mpihaino anio tontolo andro, ho firaisankinan’ny rehetra. Anio zoma no voatondro fa tsy maintsy hodinihana eny anivon’ny Antenimieram-pirenena io fehezan-dalàna mifehy ny fifandraisana io. Mifanindran-dalana amin’izay dia hotanterahan’ny fianakaviamben’ny mpanao gazety anio tontolo ny Radio Miara-manonja miainga eny amin’ny Radio Antsiva hanazavana misimisy kokoa ity raharaha ity sy ho fanoherana ny eritreritry ny fitondram-panjakana hanageja ny asa fanaovan-gazety sy ny serasera amin’ny ankapobeny ho amin’ny tombontsoany manokana.

Pati

Sary ( Rakotobe )

 

 

 

MPANAO GAZETY

Tontosa ny diabe, hitovy avokoa ny zavatra havoakan’ny radio anio

Tontosa soa aman-tsara ihany ny diabe notanterahin’ny mpanao gazety omaly niainga tetsy Analakely niazo ny lapam-panjakana teny Tsimbazaza ho fanoherana ny fandanian’ireo solombavambahoaka  maimaika  ny lalana mifehy ny fifandraisana eto amintsika. Tsy nanaiky nandray ny mpanao gazety rehetra anefa ny birao maharitra nandritra izany fa solontena ihany. Na izany aza anefa dia tsy nisy nanaiky ny mpanao gazety rehetra ka rava maina ilay fihaonana. Tsy hijanona  hatreo anefa ny tolona fa mbola hitohy hatrany. Ho an’ny vata fandrenesam-peo  manokana ohatra dia hisy ny miara-manonja na ny fampitoviana ny zavatra rehetra mandeha sy ny horenesin’ny mpihaino anio tontolo andro ho firaisankinan’ny rehetra. Tsiahivina moa fa anio zoma no  tsy maintsy holaniana eny anivon’ny Antenimieram-pirenena io fehezan-dalana mifehy ny fifandraisana io. Tonga nanotrona ireo mpanao gazety tamin’izany ny maitre Willy Razafinjatovo,  fantatry ny maro amin’ny anarana hoe : Olalah.

Patty


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • RAISSA RAZAIVOLA
  • Talata 03 Novambra 2026

Tazonina eny Fiadanana

  • 160 taona
  • Talata 03 Novambra 2026

nisian’ny gazety malagasy

  • Voasambotra noho
  • Talata 03 Novambra 2026

ny afera Kolonely Patrick

  • Diplaomasia,
  • Talata 03 Novambra 2026

fambolena, VISA,...

  • TSARAHONENANA
  • Talata 03 Novambra 2026

BEFANDRIANA

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

Hijery ny tohiny
FTT