Nitoerana ady hevitra samihafa tao ho ao ny amin’ny fahalalahan’ny asam-panaovan-gazety eto Madagasikara.
. Tena feno fahalalahana tanteraka izany ankehitriny, hoy ny nambaran’ny filohan’ny FAT teny amin’ny lanonam-piarahabana nahatratry ny taona ny sabotsy teo teny Iavoloha. Dia nolazaina fa avoaka amin’ny toerana misy azy avokoa ireo mpanao gazety rehetra tamin’io andro io (ny fonja no tian-kolazaina eto na dia hoan’ny tsy mahatakatra firy aza). Nampanontanin-tena ny maro indrindra ireo gazety mpivoaka isan’andro sasantsasany ny tsy niresahan’i Andry Rajoelina ny amin’ny fanokafana ireo onjam-peo nakatona rehetra ( izay “record” aloha tamin’ity tetezamita ity raha ny fanisana azy ary “record” koa tamin’ny fitondrana nifanesy nanagadra mpanao gazety maro). Fa fahiny koa anefa indrindra tamin’ny fanjanahantany, araka ny tantara, tena navaivay ny sivana an-gazety sy ny faneriterena ireo nanoratsoratra an-gazety ka voatery niafina tany anaty famoronana asa-soratra (tononkalo sy poezia) ny fampitan-kevitra tamin’izany. Iray amin’ireo mpanao gazety tranainy niharan’izany i Claude Dieudonné Ratsarazaka-Ratsimandresy teraka tamin’ny 26 febroary 1930 ary maty tamin’ny 18 janoary 1962. Ho fantatra bebe kokoa amin’ny alalan’ny hetsika ho fahatsiarovana ny tsingerin-taona faha-50 nahafatesany, hanomboka ny alarobia 18 janoary 2012 etsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, ny mahakasika izany ary hijoroan’ny fianakaviany vavolombelona miaraka amin’ny fikambananan’ny Poety sy Mpanotra Malagasy (Havatsa –Upem) sy ny fikambanan’ny Mpanao gazety Zokiolona (CJD) izay ho toko telo mahamasa-nahandro amin’ny fampitana ny zava-nisy marina.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.