Actualités

Mpanao gazety Hidina an-dalambe anio


  • Alakamisy 30 Jona 2016

Manahy mafy ny mety hihinanan’ireo solombavambahoaka am-bolony ny fehezan-dalàna momba ny fifandraisana eto amintsika ny mpanao gazety.

 

Ho fanajana ny zon’izy ireo indrindra ny mba fahafahany miteny sy mamoaka ny marina manoloana ny trangan-javatra misy eto amin’ny firenena dia hiray hina hidina an-dalambe avokoa izy ireo anio alakamisy 30 jona miaraka amin’ny tapim-bava. Etsy amin’ny tsangam-baton-dRalaimongo etsy Analakely no hifamotoana ny rehetra manomboka amin’ny 9 ora maraina, hilahatra mandrapahatonga eny Tsimbazaza misy ny foiben’ny Antenimieram-pirenena ho fanairana ny solombavambahoaka mba samy handinika ka tsy handray fanapahan-kevitra fahatany, indrindra manoloana ilay artikla faha-20 momba ny cybercriminalité izay  tsy nofoanana fa nolanian’ny loholona nandritra ny fivoriana notanterahin’ireto farany. Mangataka ny mpanao gazety mba ho amin’ny fotoana manaraka ny handinihana sy handaniana ity fehezan-dalàna momba ny serasera ity fa tsy atao maimaika, satria efa hifarana ny zoma 1 jolay izao mantsy ny fivoriana ara-potoan’ny antemieram-pirenena. Nandritra ny fivoriana maika izay notanterahin’ny solontenan’ny mpanao gazety tetsy Antanimena omaly no nahafantarana izany. Tsiahivina moa fa efa nisy indray ny solontenan’izy ireo nandalo teny Tsimbazaza omaly nandritra ny fanokafana ny fivoriana ara-potoana tanterahin’ireo solombavambahoaka ankoatra ny fihaonana mivantana tamin’ny GEPIM ( Groupement des éditeurs de presse et imprimeurs de Madagascar) ho fampahafantarana azy ireo ny mety tsy hisian’ny vaovao hivoaka rahampitso zoma fiandohan’ny volana jolay.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • RAISSA RAZAIVOLA
  • Talata 03 Novambra 2026

Tazonina eny Fiadanana

  • 160 taona
  • Talata 03 Novambra 2026

nisian’ny gazety malagasy

  • Voasambotra noho
  • Talata 03 Novambra 2026

ny afera Kolonely Patrick

  • Diplaomasia,
  • Talata 03 Novambra 2026

fambolena, VISA,...

  • TSARAHONENANA
  • Talata 03 Novambra 2026

BEFANDRIANA

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

Hijery ny tohiny
FTT