Actualités

Mpanao gazety Asa mihatra aman’aina


  • Alatsinainy 23 Janoary 2012

Mihatra aman’aina ny asan’ny mpanao gazety amin’ny fanatanterahana ny fanangonam-baovao ao anaty sakoroka.

 Amin’ny fotoana mbola mahamiramirana ny rehetra dia maniry sy miantsoantso avokoa ny rehetra ny mba halaina sary fa ho fahatsiarovana ny zava-natrehana izany. Rehefa manomboka kosa ny sakoroka dia miova ny toe-draharaha, mivadika ireo nitsikitsiky teo aloha fa lasa romodromotra ka mahita raharaha izay mbola miseho makamaka sary eo. Dia izay tokoa no niseho teny Ivato tamin’ny sabotsy teo. Vao naheno ny resaka “NOTAM” ireo vahoaka marobe efa nanantena ny fodian’ny filohany Marc Ravalomanana dia nivaloharika ny endriny, lasa olona tsy tohinina izany no nivezivezy teny rehetra teny.

Ireo miaramila koa tetsy an-kilany vao mainka nanenjana rehefa nahita barazy sy trano nirehitra. Ny mpanao gazety manao ny asany no nifatraran’ny rihitra. Mazava ho azy fa, na tondro basy sy fandrahonana hotifirina no azony, na tora-bato sy fanenjehana avy hatrany ary daroka amin’ny zavatra hafa ihany koa tahaka ny nahazo ny fiaran’ny gazety an-tsoratra (Groupe Ultimamédia) teny Mamory ka nahavaky ny fitaratra aoriana iray manontolo. Ao anatin’izany rehetra izany no hipetrahan’ny fanontaniana manao hoe : mba firy amin’izy ireny moa no manao fiantohana ny ainy eny amin’ireny tranom-piantohana manara-penitra eto amintsika ireny ?

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT