Mpanao gazetin’ny Soatalily

> Nodarohin’ny kandidŕ depiote iray sy ny namany


  • Alarobia 08 Janoary 2014

Tsy mety fay ary misy mpanao politika sasany tsy maty voalavo an-kibo mihitsy tsy mahazaka resy.

Ny sabotsy hariva teo tokony ho tamin’ny 5 ora dia notafihana kandidà depiote iray tao Toliara I, izay tsy lany tamin’ny fifidianana farany teo iny, niaraka tamin’ny namany teo imasom-bahoaka sy ny mpiara-miasa aminy, tao amin’ny toeram-piasany, ny namana mpanao gazety ao amin’ny Radio Televiziona Soatalily (RNM/TVM Toliara), Siely Landernaux. Raha ny fanazavan’ilay mpanao gazety dia mamo ity kandidà solombavambahoaka naloan’ny vahoaka ity. «Tsy nisy ny fanazavana sy alaharo fa dia daroka sy vono no nihatra tamiko». «Tsy fantatro mazava ny antony, fa tsilian-tsofina no nahalalako fa resaka tsiloa-body avy amina vehivavy iray miasa ao amin’ny «Région» no fototry ny olana», hoy i Siely nanamafy tamin’ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety. Nomarihan’i Siely fa «niditra an-keriny tao amin’ny Radio Soatalily ity kandidà mamo ity ary novakiany ny varavarana rehefa nohidian’ny mpiambina». 

 

Tsy hanaiky mora

 

Ny fihetsika tsy voahevitra mihoa-pefy tsy tan-dalàna toy izao no mandratsy endrika an’i Toliara indraindray. «Manameloka izao fihetsika famonoana mpanao gazety manatanteraka ny asany izao ny Fikambanan’ny Mpanao gazety Faritra Atsimo Andrefana ary nampitandrina amin’ireo mihoa-pefy fa tany misy lalàna i Toliara», hoy ny fanambaran’ny FMGFAA. Efa nitondra ny raharaha any amin’ny antanantohatra samihafa ity Fikambanana ity, ka ho hita eo ny tohiny sy ny akony. Tsiahivina fa efa mpanao gazety roa izay no nisy nidaroka sy namono tao amin’ny Radio Televiziona Soatalily Toliara.

 

E.R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison FĂ©lix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT