Actualités

Mpampianatra Faralahin’asa amin’izao fitondrana izao


  • Sabotsy 02 Jolay 2016

Raha misy ny sokajin’asa mahantra indrindra sy tsy mba voajerin’izao fitondrana izao dia anisan’ireny ny mpampianatra.

Mikarama ambilombazana ary na dia diplaoma mitovy izao aza eo amin’ny sehatry ny fanjakana dia mahagaga fa ny karaman’ny mpampianatra dia mazàna no ambany hatrany raha oharina amin’ny an’ny mpiasam-panjakana hafa. Inona no antony ? Raha mba misy fitakiana ataon’ny mpampianatra, mazàna dia mitsefotra fotsiny ireny satria  tsy mahatanty ny herin’ny vola ny mpitarika. Mandefa teny midina araka ny re ny  tompon’andraikitra mikasika ny fanabeazam-pirenena ny amin’ny tokony hanaovana ho lavorary ny fanadinana rehetra, raha tsy izany hono dia hametra-pialana izy. Hatreto aloha dia tena vitsy azo nisaina amin’ny ratsan-tanana izany olona ambony nanaiky hiala mora na hametra-pialana izany fa ny ankamaroany dia manao bemarenina sy milaza ho mahavita azy daholo. Raha ny fijery ny tontolon’ny fanabeazana tao anatin’ny roa taona izay dia efa tokony ho nametra-pialana ny tompon’andraikitry ny fanabeazana. Fanovana kitoatoa hatreto no atao ao ka sahirana ny mpampianatra satria eny antenantenan-taona vao misy filazana fanovana ny endri-panadinana sy fampiofanana tefy maika. Mbola be dia be ireo mpampianatra FRAM izay ampanantenaina ny tsy misy hatreto. “Vacation” roa taona nisesy  tamin’ny fanadinana CEPE  sy BEPC  izao tsy nisy azo ka tsy efa tokony hametra-pialana ve ny tsy mahomby sa dia mbola hikiribiby ihany ?

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • RAISSA RAZAIVOLA
  • Talata 03 Novambra 2026

Tazonina eny Fiadanana

  • 160 taona
  • Talata 03 Novambra 2026

nisian’ny gazety malagasy

  • Voasambotra noho
  • Talata 03 Novambra 2026

ny afera Kolonely Patrick

  • Diplaomasia,
  • Talata 03 Novambra 2026

fambolena, VISA,...

  • TSARAHONENANA
  • Talata 03 Novambra 2026

BEFANDRIANA

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

Hijery ny tohiny
FTT