«Foana fa maloto ary avereno ny fifidianana depiote aty Morombe fa nanjakan’ny hosoka sy hala-bato», hoy ny fanambaran’ireo kandidŕ solombavam-bahoaka miisa 12 nitafa tamin’ny mpanao gazety ny talata teo.
Nilaza nahitsy ny mpikamban’ny kongresin’ny tetezamita teo aloha, Brunly, fa biletà efa vita marika mialoha tsy latsaky ny 50 tratra tao Tanandava. Tao Antanimeva kosa dia misy tompon’andraikitra iray ao amin’ny Kaominina mihitsy no nandrahona an’ireo mpikamban’ny biraom-pifidianana mba tsy hanao sonia ny fitanana an-tsoratra. Ny sabotsy 21 desambra antoandro vao notanterahina tany an-tranon’ity tompon’andraikitra ity izany ary efa niova tamin’ny nitiavan-dry zareo azy ny safidim-bahoaka, hoy hatrany ny tatitr’ireo kandidà niniana nodakana am-bavafo ireto, mba hampandaniana ny kandidàm-panjakana.
Hangotraka ny fitakiana
Nilaza ireto vondron’ny kandidà 12 ireto fa hitory any amin’ny CES sy CED, ka raha tsy misy fandraisana andraikitra ataon’ireo dia hanohitra hatramin’ny farany izao hala-bato manara-penitra izao, na dia higadrana sy hamoizana aina aza. Toerana maro eto amin’ny Nosy no nahazoam-baovao amin’ny tsy fetezan’ny fifidianana farany teo iny. Ahiana noho izany ny hisian’ny korontana sy krizy vaovao indray satria ny CENI-T dia voasoketa ho miray tendro amin’ny mpangala-bato mba hampandresena hatrany ireo kandidàm-panjakana nampahantra vahoaka. Dia ho sanatria ve ka 5 taona fahantrana manara-penitra indray no hitohy ?
E.R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.