Actualités

Mitontongana ny sandam-bola malagasy Mety ho tafakatra 3.700 Ariary ny dolara iray


  • Zoma 30 Septambra 2011

“Sandam-bola tsy izy fa amboarina io misy iainan’ny mpanondrana sy mpanafatra ary arenty an-gazety sy eny amin’ny banky ary fifanakalozam-bola vahiny eto amintsika io.

 Manana olana isika ankehitriny satria tsy manaiky ny fampiasana io sandam-bola diso sy amboarina fotsiny io, ireo banky any ivelany sy ireo firenena fanafarantsika ny entana ilaina an-davanandro”. Izay no nambaran’ity olona mahay tsara ny tsena iraisam-pirenena sy momba ny fanakalozam-bola vahiny eto amintsika ity, izay niangavy ny tsy hanononana ny anarany noho ny tahotra amin’izay hitranga aminy noho ny filazana ny marina. Nambarany hatrany fa “efa maro ireo mpahay hary nakana hevitra momba ny sandam-bola vahina eto amintsika; izay no nahatonga ilay mody nanampiana ny vidin-tsolika, izay tsy ny vidiny eny an-tsena loatra no teny nidirany, fa ny fahasahiranan’ireo mpanafatra izany any ivelany, izay mety tsy hahazo solika intsony noho io sandam-bola amboarina io”.

Nolazainy mazava aza fa “ny volana oktobra izao, raha tsy misy ny fanampiana amin’ny tetibola fanomen’ny Vondrona Eoropeanina, dia ho 3.700Ar ny hividianana ny dolara iray eo amin’ny tsenan’ny vola vahiny eto amintsika, ary hiakatra ihany koa ireo vola vahiny hafa”. Ho an’ity mpiasan’ny banky naneho ny heviny ity kosa dia nilaza mazava fa “tao anatin’izay telo taonan’ny krizy izay dia nitontongana hatramin’ny 120% ny vola malagasy raha noharina tamin’ny taona 2007 sy 2008, raha toa ka ampiharina sandam-bola dolara tena izy io. Midika izany fa hitontongana koa ary hananika ny 20% ny fiakaran’ny vidin’entana, ary hanodidina izay koa ny taham-pahantrana hatramin’ny faran’ny taona”. Izany anton-javatra izany no nahatonga ny minisitry ny vola sy ny tetibola ary ny minisitry ny raharaham-bahiny, teo koa ny tale jeneralin’ny ladoany na niniana tsy noresahana aza, nitalaho tamin’ny vondrona eoropeanina, hamerina amin’izay ny fanampiana ara-bola sy ny tetibola Malagasy. Eo am-pikarakarana ny teti-bola 2012 koa mantsy ny governemanta FAT ankehitriny, teti-bola izay mety ahitana olana goavana raha tsy tafiditra ao ity fanampiana ivelany ity, satria tsy nahitam-pahombiazana avokoa ireo dingana natao tamin’ny fampidiram-bola, na teo amin’ny hetra aza noho ny fanafarana entana tsy dia nisy loatra vokatry ny krizy sy io toe-bola vahiny Malagasy manjavozavo sy feno fitaka io.

 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT