Actualités

«Mister» iraky ny Avo indrindra Nanakana ny farandro tsy ho tonga tamin’ny 21 desambra


  • Alarobia 23 Janoary 2013

Tsy nisalasala mihitsy i “Mister” Iraky ny Avo indrindra nanambara tamin’ny mpanao gazety, fa izy no nangataka tamin’ny Avo indrindra mba tsy hiseho tamin’ny 21 desambra 2012 araka ny voalaza ny farandro.

 Tsy maintsy ho avy kosa anefa io fotoana io, hoy izy, ka hilatsaka ety an-tany ilay potika kintana izay hiteraka loza toy ny tondra-drano, na famaizana lehibe sns… ary hanatrika velona izany farandro izany izao taranaka miaina eto an-tany ankehitriny izao. Tsy mbola voafaritra ny toerana hilatsahan’io zavatra io, fa ny azo antoka dia tsy latsaka any amin’ny toerana misy ahy izy io hoy i Mister. Nambarany koa fa aorian’ny fiverenany hivahiny any Israely any amin’ny reniranon’i Jordany toerana nanaovana batisa voalazan’ny Baiboly izay ho tondroiny mazava ny toerana marina fa tsy izay voalaza tany aloha tany, no hisehoan’ity farandro ity.

Miisa 21 ireo “révélation” ambarako ho ala sarona ara-panahy hiaraka amin’ny faminaniana, hoy i Mister, ka anisan’izany ny hananganana tsy ho ela ny Fiangonana Vaovao, ny FV AMMY-EL. Manana Baiboly ity FV ity izay narafitra avy amin’ireo Baiboly rehetra efa nisy ihany. Manana boky fampianarana finoana koa izy dia ny boky fotsy na bokin’ny fiainana. Marihina fa roa taona amin’ny volana aprily no nitsanganana ara-panahy ka nananganana vondrom-bavaka ao Antohomadinika dia foiny taorian’izay ny zavatra rehetra, toy ny maha-artista feno azy. Mpandrindra an-tsehatra sarimihetsika sady mpilalao film ihany koa, tompondakan’ny fifaninanana Rock (1996) niaraka tamin-dRajoelina tompondakan’ny DJ ary nanao haiady koa izy.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT