Tsy mety fay ! Na dia eo aza ireo jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana maty voatifitry ny mpitandro ny filaminana dia misy hatrany ireo mandimby ny lavo. Nanomboka ny 30 desambra teo no ho mankaty nisian’ny «Opération Saka mainty» nataon’ny USI (Unité Spéciale d’Intervention) mba hiverenan’ny fandriampahalemana ao Toamasina dia jiolahy 38 no efa voasambotra nandritra ny efatra andro ka nanaovana fanadihadiana. Telo ny maty ka anisan’izany i Rigo izay voatifitra teo amin’ny fony ary voalaza fa maty nefa mbola afaka nankany amin’ny ray aman-dreniny niala tao amin’ny tranom-paty.
Miparitaka ny basy
Manoloana ny fiparitahan’ny fitaovam-piadiana dia basy 197 sy bala 94 568 no saron’ny polisy tamin’ny taona 2013 iny ary jiolahy 25 maty voatifitra niampy 1 288 voasambotra. Midika izany fa nanjaka ny asan-jiolahy mitam-piadiana nandritra ny taona nivalona iny. Nahazo vahana ihany koa ny trafikana rongony, satria nahatratra 4 862 985 grama ireo rongony saron’ny polisy niampy menaka rongony 39 litatra, raha 3 393 litatra ny toaka gasy tratra. Avy any amin’ny faritra atsimo avokoa ny ankamaroan’ireo zavamahadomelina tratra teto an-drenivohitra ireo, raha ny fanazavana hatrany.
Mpangalatra roalahy avy nangalatra akoho sy vorona no saika matin’ny fitsaram-bahoaka, saika nodoran’ny olona niaraka tamin’ny kodiarana, ny alakamisy teo, tao amin’ny Fokontany Tanandava Toamasina. Naratra mafy ireo jiolahy ary efa nikasa handoro azy ireo ny Fokonolona no tonga ny polisy nanavotra azy roa lahy. Leom-boan’anana ny olona noho ny firongatry halabotry sy fitaovana fampiasa an-dakozia tao amin’ity Fokontany ity. Tsy vitan’izay fa mbola anaovan’ireo jiolahy maloto ihany koa eo am-baravarana rehefa azony izay ilainy rehetra.
E.R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.