An-dalam-pivahana ny famatsiam-bola mitentina 26 tapitrisa dolara, ampaham-bola ao anatin’ny fandaharanasa “Fast Track Initiative” avy amin’ny Unicef.
Andro sisa andrasana dia feno ny fepetra voalohany takian’ny mpamatsy vola hanomezany io bolongam-bola io, dia ny famerenana amin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ireo fiara tsy mataho-dalàna miisa 23 izay tokony hampiasain’ny DREN kanefa nalain’ny andrimpanjakana samihafa tamin’ny taona 2009 raha vao niongana ny fitondrana Ravalomanana. Noho io antony io dia nogejain’ny Unicef ilay vola mitentina 26 tapitrisa dolara izay tokony hamatsiana ny fividianana “kits scolaires”. Araka ny nambaran’ny tale jeneralin’ny fanabeazana fototra, Fofa Dominique, dia fiara miisa 21 no efa eo am-pelatanan’ny ministera, iray ho azo anio zoma na rahampitso raha mbola andrasana kosa ny famerenan’ny nampiasa azy ny iray farany.
Tomponandraiki-panjakana ambony teo aloha no mbola mampiasa ity farany amin’izao fotoana. Ny volana oktobra 2011 moa no nanombohana nanaovana antso amin’ny famerenana ireto fiara ireto. Araka ny fifanarahana tamin’ny Unicef ihany dia tsy maintsy averina amin’ny laoniny tahaka ny nahazoana azy ireo fiara ireo izay marihina fa niasa telo taona. Nisy noho izany ny fiantsoana manampahaizana nanao ny fitsirihana ara-teknika an’ireo fiara miisa 21. Valin’ny fitiliana tamina fiara miisa 11 no efa nivaly sy ananana toe-bola fanarenana azy raha mbola andrasana kosa ny hevitry ny manampahaizana amin’ireo 10 ambiny efa nanaovana fizahana ara-teknika. Raha ny fanazavan’i Fofa Dominique dia omena ireo DREN araka ny efa nanomanana azy ireo fiara ireo rehefa feno ny fepetra takian’ny mpamatsy vola.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.