Actualités

Ministeran’ny asam-panjakana Mamofompofona fikomiana ihany koa


  • Talata 13 Desambra 2011

Mampaneno lakolosy ireo mpiasam-panjakana ambony miasa eo anivon’ny Ministeran’ny asam-panjakana ny asa ary ny lalŕna sosialy noho ny fanoloana mpiasa tsotra ny lehiben’ny sampandraharaha misahana ny fifindramonina ao amin’ity ministera ity.

 Ny zoma hariva lasa teo no naharay ny didy manala azy amin’ny toerany Razafindralambo Rojo raha Rakotonandrasana Modeste kosa no misolo azy. Raisin’ireo mpiasam-panjakana ambony miasa ao amin’ny Ministeran’ny asam-panjakana ireo ho fanilikilihana azy ireo anefa ilay fanapahan-kevitra. “Raha inspekteran’ny asa no esorina dia soloina administratera sivily na koa ny mifanohitra amin’izay fa tsy mpiasa tsotra manana “catégorie-4”. Nekenay ilay fanapahan-kevitra raha toa ka voalaza ao amin’ny tondrozotra fa mpanao politika na mpiasa tsotra no omena andraikitry ny tale na koa lehiben’ny sampandraharaha” hoy i Laza Rabary, filoha nasionaly lefitry ny administratera sivily sady mpitondra teny amin’izao hetsika fanoherana izao. Nambarany koa fa tsy mendrika hitantana io andraikitra io ihany koa Rakotonandrasana Modeste izay efa teo no nesorin’ny minisitra teo aloha, Rasamoelina Henri noho ny resaka Liban. “Izy no fototr’ireny resabe momba an’i Liban ireny kanefa dia tadiavina haverina indray” raha ny fanazavan’i Laza Rabary hatrany.

Tsy vitan’izay fa mahatsapa koa ireo administratera sivily sy inspekteran’ny asa mitambatra fa tsy nanaraka ny fepetra voalazan’ny lalàna ilay didy mampiato ny naman’izy ireo amin’ny asany. Raha tsy maintsy mandalo “commission d’affectation” mantsy ny famindran-toerana mpiasa dia tsy nisy izany tamin’ity raharaha ity satria tsy voantso akory ny solontenan’ny administera sivily mpikambana ao anatin’ilay vaomiera. Nangataka fihaonana tamin’ny minisitra Randriamanantsoa Tabera momba ity raharaha ity ry zareo saingy nitarika fivoriana itsy voalohany omaly ka tsy mbola voaray. Tahaka izany koa ny gazety Tia Tanindrazana. Nanamafy anefa ireo mpiasa tsy faly ireo fa mbola mampaneno lakolosy aloha ry zareo amin’izao fotoana. Nisarika ny sain’ny tomponandraikitra kosa anefa fa potika ny asam-panjakana raha mitohy ny fanaovana anjorom-bala ny mpiasam-panjakana ambony. Tokony hakatona ny ENAM rehefa tsy misy ilana ny mpiasa ofaniny intsony.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT