Nanazava ny momba ilay fehezan-dalàna momba ny fifandraisana omaly ny minisitry ny serasera Andrianjato Vonison Zafindambo izay nilaza fa naharitra herintaona sy tapany no niasany nandrafetana ho lasa volavolan-dalàna ny volavolan-kevitra avy amin’ny teknisianina isanisany namaritana ny fehezan-dalàn’ny fifandraisana vaovao hiadian-kevitra lalina ity.
Tsotra ny namintinany izay rehetra voalazany tamin’izany fanazavana nomeny izany dia ny hoe : lalàna mankany amin’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety ity volavolan-dalàna ary antoka ny tsy hisian’ny fanagadrana mpanao gazety intsony ary mampandray andraikitra feno ny tompon’orinasan-tseratsera ao anatin’ity asa ity. Ny tsy fahalaniany eny anivon’ny rafitra mpanao lalàna kosa, hoy izy, dia mamaritra ny hitohizan’ny lalàna 91-031 sy ny 92-039 ahitana andininy managadra mpanao gazety. Tsapa aloha fa tena mahay miserasera tokoa ny minisitra, hainy ny miteny sy manasa atidoha ary mampifantoka ny saina aman’eritreritra amina foto-kevi-dehibe fotsiny.Tsy dia ilay fanagadrana mpanao gazety irery no inona fa ny fikitihan’ny fitondram-panjakana andininy efa ho 20 latsaka kely ao anatin’ilay fehezan-dalàna izay efa nahitana marimaritra iraisana taorian’ny dinika tany Antsirabe sy Mahajanga. Miezaka ny mamono sy mitady izay paikady hampiroaroa saina ny mpanao gazety ny minisitry ny serasera, fihetsika azo adika fa holaniana amboletra tsy misy adihevitra ilay fehezan-dalàna momba ny fifandraisana
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.