Actualités

Minisitra Razanamahasoa Sahiran-tsaina manoloana ny fitokonan’ny mpitsara


  • Talata 03 Janoary 2012


 Mba ho fitakiana ny fiarovana ny zon'olombelona sy ho fampiharana ny lalàna amin'ireo izay nahavanon-doza, ary mba hanakanana ny fahazoana ny tsy maty manota vahana eto amin'ny firenena, dia niantso ny mpitsara rehetra mba hanatanteraka amin'ny ampahany ny asam-pitsarana sy ireo asa mitaky fahamehana amin'izao fotoam-pialantsasatry ny mpitsara izao ny minisitry ny fitsarana Christine Razanamahasoa, teny amin'ny trano fonenany, ny sabotsy 31 desambra lasa teo.

Efa difotra, hoy izy, ny toeram-pihazonana ireo voampanga any amin'ny zandary sy ny polisy ka mitaky ny fahendren'ny mpitsara rehetra amin'ny fahaizany mandray andraikitra am-pamendrehana sy fandraisana fanapahan-kevitra ara-potoana. Efa nanao ny fianianana rahateo izy ireo, hoy ihany izy, ka tokony hasiana fanajana ilay hoe : "tsy handà ny hitsara". Raha ny fantatra dia efa misy ny fifanatonana amin'ireo tompon'andraikitra mahefa rehetra hatramin’ny masoivoho vahiny mahakasika io raharaha io. Hatreto aloha dia mbola mihenjana ny tady ka asa izay ho tohiny ! Ny hany fanontaniana mipetraka dia ny hoe hamaly ity antso ity ve ireo mpitsara ?

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT