Tsy tonga tamin’ny fiantsoan’ny Sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara na SMM ry zareo avy ao amin’ny polisim-pirenena raha ireo mpikaro-baovao eo anivon’ny zandarimariam-pirenena kosa no tonga.
Araka ny fanazavan’ny solontenan’ireto farany dia tsy nahazo fanasana an-taratasy mazava izy ireo. Manaraka izany dia tsy mety ny hoe sendika mampiantso minisitera. Fakan-kevitra momba ny fametrahana ny fanjakana tan-dalàna moa no anton’ny fihaonana, anefa dia izao tsy tanteraka izao. Araka ny filazan’ny ao amin’ny polisim-pirenena ihany, misy mitady hanararaotra ihany koa ny fisafidianana ilay lohahevitra hodinihana sy hiadian-kevitra. Fehiny dia mbola mihenjana tanteraka ny tady eo amin’ny mpitsara sy ny polisy, ary hita ho samy mahery ny fomba fitenenana avy amin’ny andaniny sy ny ankilany ary tena mbola sarotra ny famahana ny olana. Momba ilay hoe fitoriana ny minisitry ny filaminana anatiny Arsène Razafindrazaka indray, dia nilaza omaly ny ao amin’ny polisim-pirenena fa tsy fantatra mazava ny tena tiana hahatongavana amin’izany. Efa nisy ny fitoriana roa, napetraky ny fianakavian’ilay mpitsara maty tany Toliara sy ny minisitry ny fitsarana, koa tokony ho efa ampy izay, araka ny hevitry ny polisim-pirenena hatrany.
Etsy ankilan’izay, hentitra ihany koa ny taratasy misokatra nalefan’ny filohan’ny SMM any amin’ny filohan’ny tetezamita sy ny praiminisitra, izay milaza ny alahelon’ny fianakaviamben’ny mpitsara momba ny fitarazohan’ny fikarohana ny marina tamin’ilay raharaha famonoana mpitsara tany Toliara ny 9 desambra 2011. Takian’ny SMM ny hamoahana ny tena marina sy ny hisamborana ireo tena tompon’antoka tamin’iny famonoana ny mpitsara Rehavana Michel iny. Nampatsiahy indray ity taratasy misokatra avy amin’ny filohan’ny SMM ity fa sady naka an-keriny mpitsara am-perinasa, nampiasa basy no mbola nanafika fonja ireo polisy tao Toliara. Ny minisitra tompon’andraikitra anefa dia tany an-terana tamin’io andro io. Mbola alahelon’ny SMM ihany koa ny tsy nisian’ny solontena avy amin’ny fiadidiana ny tetezamita nanatrika ny fandevenana ny mpitsara Rehavana Michel tany Ihosy, kanefa dia ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina, izy tenany mihitsy no nanatrika tao amin’ny toby Ratsimandrava ny fanaovam-beloma farany ilay zandary maty tamin’ny raharaha FIGN. Tsy mety mivaha, araka izany, ity olan’ny mpitsara sy ny polisy ity, fa toa vao mainka aza miha mangotraka sy miha sarotra, satria samy mihizingizina amin’ny heviny ny roa tonta.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.