Actualités

Migrevy ny mpiasan’ny fadintseranana 4 miliara isan’andro no very


  • Zoma 24 Jona 2016

Mahatratra 4 miliara ka hatramin’ny 5 miliara Ar isan’andro ny vola very raha vantany vao mitokona tsy manao ny asany ireo mpiasan’ny fadintseranana eto amintsika

 

. Voatery miroso amin’izany anefa izy ireo ankehitriny noho ny antsojay mahazo azy, hoy Andrianavalona Herizo, filohan’ny sendikan’ny mpiasan’ny ladoany na ny SEMPIDO. Ilay fitantanana ny maha olona eo anivon’ny fadin-tseranana mihitsy no tena tsy mety amin’izy ireo satria tsy manaraka ny sata ankapoben’ny mpiasam-panjakana . Singa iray ao anatin’izay noresahiny  tamin’ny mpanao gazety omaly ka  niteraka ny fitokonana faobe tanterahin’izy ireo ny fisian’ilay  “Test d’évalution et de profil” tsy maintsy hatao  amin’ny mpiasa tsirairay eo anivon’ny fadintseranana  izay nomarihin’Andrianavalona Herizo fa tsy ara-dalàna. Rehefa misy fanovana tokony hatao mantsy dia tokony handalo hatrany eo ambany mason’ny CSFOP na ny conseil superieur de la fonction publique  raha tsy manana sata manokana ilay sampandraharaha tiana hampiharana azy. Roso amin’ny fitokonana izy ireo, araka izany, izay haharitra 72 ora. Mbola hitohy hatrany izany raha tsy misy ny vahaolana raisin’ny fitondram-panjakana, raha araka ny fantatra hatrany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • RAISSA RAZAIVOLA
  • Talata 03 Novambra 2026

Tazonina eny Fiadanana

  • 160 taona
  • Talata 03 Novambra 2026

nisian’ny gazety malagasy

  • Voasambotra noho
  • Talata 03 Novambra 2026

ny afera Kolonely Patrick

  • Diplaomasia,
  • Talata 03 Novambra 2026

fambolena, VISA,...

  • TSARAHONENANA
  • Talata 03 Novambra 2026

BEFANDRIANA

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

Hijery ny tohiny
FTT