Actualités

Michčle Obama Nanao pômpy koa


  • Alatsinainy 06 Febroary 2012

Hafaliana ny an'ny vahoaka Amerikana nahita ny vadin'ny filoha Obama nanao pômpy nivantana tamin'ny fahitalavitra ny alakamisy lasa teo.

 Nasaina hamelabelatra ny fandaharanasa mikasika ny ady amin'ny hatavezana loatra mahazo ny zaza ny tenany no nasain'ny mpanentana nanao pômpy hitsapana ny heriny sy ny tanjany. Tsy nandà ary dia roso tokoa ny vehivavy, ka nahavita pompy in-25 be izao, tsy reraka akory. Nampitombo laza ho azy sy ny vadiny izany zava-nisy izany... izy ireo rahateo koa anatin'ny fampielezan-kevitra amin'ny fifidianana izay ho filohan'i Amerika indray.
Nahaliana ny maro ity tranga ity, ary naneran-tany mihitsy ny lazany

. Fa isika Gasy koa anie mba efa nahazo laza toy izany, saingy isika no nanaratsy ny antsika e! Hay tsy adala ihany ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka, na koa manao rediredin'ny efa mahazo taona fa mety ho fomba vaovaon-dry zareo filoha mihitsy ny fanaovana pômpy. Nisy naka tahaka ny nataony. Raha raisina amin'ny fo tsy miangatra dia nety anie izany matoa nisy nianatra e! izay no tsy hitenitenenana fahatany sy hanaratsiratsiana fahatany, satria ny andrarezina mihitsy aza no efa naka ho ohatra ny Malagasy teto...

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT