Ho an’i Nicolas Randrianasolo, mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita dia tsy misy ilana izany miaramila avy amin’ny SADC izany eto Madagasikara.
Nambarany fa voavahan’ny mpanao politika malagasy ny krizy politika ary voafehin’ny mpitandro ny filaminana malagasy koa ny tany sy ny firenena. Koa mahagaga azy ny anton-dian’ny delegasiona manamboninahitra miaramila vahiny eto amintsika. Aminy dia ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana no ao ambadiky ny fahatongavan’ireo miaramila ireo eto. Tsy nihambahamba mihitsy moa ny tenany nilaza fa voavidin’i Marc Ravalomanana vola ireo. Tsy nitondra porofo hanamarinany izany anefa ny tenany, fa dia fitompoan-teny fantatra fotsiny, nefa mba mpikambana amina andrim-panjakana mpanao lalàna ihany !
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.