Miaramilan'ny RFI naiditra am-ponja

> “Tsy nanakana izany ny lehibeny”


  • Zoma 31 Janoary 2014


“Tsy marina ny vaovao miely fa manohitra ny fampidirana am-ponja ireo miaramilany 17 mirahalahy voarohirohy amin'ny raharaha fahaverezana bala 5.000 isa tao amin'ny BANI Ivato ny “Chef de corps” ao amin'ny RFI”, hoy ny Jeneraly Rakotoarimasy André Lucien, minisitry ny fiarovam-pirenena . Nijery ireo miaramilany ireo teny amin'ny toerana nanaovana fanadihadiana azy ireo no nataon'ity farany satria tsy nanana afa-tsy ny akanjo teny an-kodiny izy ireo araka ny fanazavan'ny minisitra ihany. Nolazainy koa fa efa nisy ny fikasana hitazona ireo voarohirohy tao amin'ny toby misy azy ihany saingy resy lahatra ny mpitondra ao amin'ny foloalindahy fa azo antoka kokoa raha eo anivon'ny fonja no iandrasan'izy ireo ny fitsarana azy sao sanatria misy ny mitsoaka ka hiteraka olana hafa indray. Momba ireo mpitandro ny filaminana niasa teo anivon'ny FIS sy DST dia nilaza ny jeneraly Rakotoarimasy André Lucien fa efa naverina amin'ny toby niaviany avy izy ireny miaraka amin'ny fitaovana. Nisy moa omaly ny fiaraha-mikorana nataon’ny foloalindahy tao amin’ny CEMES Soanierana.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT