Actualités

Mialy Rajoelina Marary mafy any Frantsa ?


  • Alarobia 22 Jona 2016

Ny 24 janoary 2014 no nahitana farany teto an-tanindrazana ny vadin’ny filohan’ny tetezamita teo aloha Mialy Rajoelina,

 

 andro izay nanomezan’Andriamatoa Andry Rajoelina ilay fanalahidy lehibe natao ho marika fa nanomboka tamin’io fotoana io dia Andriamatoa Hery Rajaonarimampianina indray no handimby ity farany hitondra ny tany sy ny firenena. Efa volana maro ihany koa izao no tsy henoheno intsony nanaraka ilay fikambanana « Fitia » izay fikambanana sosialy tarihiny ity vadin’ny filohan’ny tetezamita teo aloha ity. Na ny fikambanana aza dia tamina hetsika ara-kolontsaina iray natao tamin’ny volana martsa lasa teo no tena farany nahenoana azy. Nandeha ny feo tato ho ato izay fa efa fotoana maromaro izao no nianjadian’ny aretina homamiadan’ny tsokan-damosina Ramatoa Mialy Rajoelina  ?  Heno ihany koa fa efa tsy monina ao Paris  intsony ny fianakaviana Rajoelina fa nifindra any akaikin’ny sisintanin’i Frantsa amin’i Alemana. Mety noho izany koa ve no antony mampangingina an’Atoa Andry Rajoelina  tato ho ato izay ?  Na dia mafampanana aza ny toe-draharaham-pirenena ary mafimafy ihany ny mianjady amin’ny vondrona politika izay tarihiny ankehitriny toy ny raharaha momba ny loholona Lylison de Rolland, ohatra, dia tsy henoheno izy.                                                                                                                                         

J.M

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • RAISSA RAZAIVOLA
  • Talata 03 Novambra 2026

Tazonina eny Fiadanana

  • 160 taona
  • Talata 03 Novambra 2026

nisian’ny gazety malagasy

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

Hijery ny tohiny
FTT