Actualités

Me Olala Hiaro ny Pr Raymond Ranjeva ?


  • Alarobia 14 Martsa 2012

Hihaona amin’ny mpanao gazety, etsy amin’ny La Rotonde Besarety, anio maraina ny Me Willy Razafinjatovo, na Olala ka manodidina ireo ambara fa fitsarana politika misy mandritra izao fitondrana tetezamita izao no horesahana sy hovelabelariny.

 Horesahana manokana amin’izany, raha araka ny angom-baovao azo ny fitsarana ny profesora Raymond Ranjeva sy ny zanany vavy, izay tokony hotanterahana ny alatsinainy 19 martsa ho avy izao eny Anosy. Anisan’ireo mpisolovava tsy nitsitsy fitenenana, ary nanameloka hatramin’ny farany, ireo nambarany fa fitsarana politika nandritra ny fitondrana teo aloha moa ny Me Olala. Mpiaro an’i Pierrot Rajaonarivelo sy ny ankamaroan’ireo nambara fa gadra politika izy, tamin’izany fotoana ary tena henjana dia henjana ny fanakianany ny fitsarana sy ny fitondrana tamin’ny anakapobeny.

Anisan’ireo nankasitraka ny fanovana nampanantenain’i Andry Rajoelina tany am-boalohany ity mpisolovava ity, izay manana ny heviny amin’ny maha olom-pirenena azy. Taty aoriana kosa anefa izy dia hita fa somary nihataka kely, avy eo nangina ary rehefa nanomboka naneho hevitra indray, dia nilaza ny tsy mety nataon’ny FAT. Araka ny fandinihan’ny mpanara-baovao politika azy, dia mety hanolo-tena ho anisan’ny mpiaro ny profesora Raymond Ranjeva ny Me Willy Razafinjatovo ary haneho ny traikefa ananany mba hanoherana ny tsy rarainy sy ny fitsarana politika, natao hanapotehana ireo izay sahy mijoro manohitra an’i Andry Rajoelina. Tena mahitsy fitenenana ny Me Olala ary mahalala tsara ny tantaram-pirenena sy ny tontolo politika misy eto, koa azo antoka fa mafonja ny hevitra haposany amin’ity anio ity.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT