Me Hanitra Razafimanantsoa

> Vonona ny hamerina ny 2002 hiarovana ny safidim-bahoaka


  • Alatsinainy 06 Janoary 2014

Fantatsika fa madia fotoan-tsarotra ny firenena, hoy ny Me Hanitra Razafimanantsoa ny sabotsy 04 janoary 2014 teny amin’ny Magro Behoririka. Nisy ny voka-pifidianana navoakan’ny CENI-T.

Fantantsika tsara anefa fa nisy hala-bato mahatsiravina teto, ka izay no nahatonga antsika tsy hanaiky fa hiaro ny safidintsika. Nopotsiriny ampahibemaso fa nisy iraka nalefan’ny kandidàn’ny Hery Vaovao teny amin’ny Dr Robinson nilaza fa hoe “aleo miresaka isika fa efa fantantsika ny fisian’ny hala-bato”. Matoa izy nanatona dia ao raha. Nisy mpanelanelana tao ary voalaza fa hisy fifanarahana hatao ka atao an-tsoratra. Voalaza tao, hoy izy fa manaiky isika fa nisy ny hala-bato tamin’ny fihodinana faharoa, ary miara-manaiky isika fa nisy ny tsy fanarahan-dalàna, miara-manaiky isika fa tsy araka ny tokony ho izy ny fifidianana. Noho izany dia miara-mandresy lahatra ny CENI-T sy CES mba hanajanona ny fanisam-bato ka atao isaky ny biraom-pifidianana ny fanamarinana ny vatom-pifidianana ary foanana ny vokatra tamin’ny biraom-pifidianana nitrangana tsy fetezan-javatra ary hanao fampitahana ny PV rehetra isika.

Nandrasana io iraka io kanefa tsy nipoitra, hoy izy. Nilaza fa tsy hanao fifanarahana indray, hono, izy. Afaka adidy amin’ny fatana isika, hoy ity mpanao politika ity. Matoa isika miala nenina taminy, tsy nandeha teny amin’ny CENI-T dia vonona hiaro ny safidiny i Dr Robinson. Ankoatra izay dia nambarany fa efa manomboka ny fandrahonana ireo mpitarika. Vonona ny hamerina ny tamin’ny 2002 isika, hoy izy, hiaro ny safidintsika. Androany (sabotsy) aho, hoy i Me Hanitra no manao antso farany amin’ny CES : ny PV eo an-tananay dia mamoaka fa i Dr Robinson Jean Louis no mandresy amin’ny 52,87%. “Na hihodina aiza na aiza dia izay no vokatra”. Eo am-pelatananareo CES, hoy hatrany i Me Hanitra, ny porofo sy ny lalàna rehetra fa nisy hala-bato teto amin’ny firenena koa diniho am-pilaminana ny taratasy, tsy manao takalonaina izahay fa mijoro miaro ny safidim-bahoaka miaraka amin’ny dokotera Robinson.

 

 

Ntsoavina Evariste  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT