MCT Mohamady Sakra

> Maniry ny hanitsiana ny lesoka amin’ny fihodinana faharoa


  • Sabotsy 23 Novambra 2013

Manahy ny amin’ny hoavin’ny fihodinana faharoa any Besalampy izahay raha tsy misy fanarenana haingana hatao, hoy ny MCT Mohamady Sakra voatendry avy any an-toerana.

Raha ny zava-nisy tamin’iny fihodinana voalohany iny mantsy no asian-teny, hoy izy, dia nampananosarotra ny fiatrehana ny fifidianana ara-dalàna ny fahataran’ny fotoana nanofanana an’ireo delegen’ny birao fifidianana samihafa. Ny ankamaroany anefa mandeha an-tongotra mandritra ny roa andro mahery vao tonga tany amin’ny tanàna nanaovana ny fiofanana. Ny avy any Ankidoka, ohatra, dia tsy maintsy mamonjy an’i Bevary ary ny any Tsitagnandro sy Androfiabe tsy maintsy mankany Mahabe. Ao anatin’ny asara (fahavaratra) tanteraka isika amin’izany 20 desambra izany, hoy ity MCT ity, miakatra ny rano ary manenjika an-tanety mihitsy ny voay miaraka amin’izany, ny lalana aleha hanaterana ny voka-pifidianana eny anivon’ny Distrika ho an’ny toerana sasany dia maharitra andro roa sy tapany koa ny fandehanana an-tongotra, ny vola tambin-kasasarana anefa kely dia kely tsy mahaleo ny sarany ny vidiny. Farany, hoy ny MCT Sakra, dia tokony hahitsy koa ny tenin’ny filohan’ny CENI-T milaza fa hogadraina izay manao hadisoana amin’ny fikarakarana fifidianana nefa mety tsy ho fantatr’ireo mpikambana amina birao fandatsaham-bato akory izany fahadisoana ataony izany noho izy ireo mandeha an-kitsim-po mikarakara an’ity fifidianana ity.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT