Niavaka ny matson’ny foloalindahy malagasy fahatsiarovana ny tsingerintaona faha-56 teny amin’ny kianja monisipalin’i Mahamasina.
Nisantarana ny lanonan’ny tafika Malagasy teny an-toerana mantsy omaly alahady 26 jona 2016 ny «Silent Drill». Nanatontosa izany ireo mpianatra manamboninahitra lefitra miralenta andiany faha-38 sy 39 avy ao amin’ny Akademia Miaramila Antsirabe izay manamarika ny faha-50 taona niorenany ihany koa. Lasa kolontsaina iainan’ity farany ity hatramin’ny taona 2013 rahateo io kanto miaramila nalaina tahaka tamin’ny vata «marine» amerikanina hatramin’ny taona 1948, araka ny fanazavana. Dihy mirindra ao anatin’ny fahanginana izy io mampiseho ny fitsipi-pifehezana sy ny maha matihanina amin’ny alalan’ny fikirakirana ny basy milanja 3,3 kilao. Misongadina hatrany mandritra ny hetsika mangina miaraka fanaonan’ireo mpandray anjara ny litera na tarehimarika; natao hankalazana fandresena ny “Silent Drill”. Nivoatra teo afovoan’ny kianja filalaovam-baolina moa omaly ny soratra AM na «Académie Militaire» sy ny isa 50, taona nijoroan’ny toby miaramila ao Antsirabe.2630 ny vata miaramila nahitana ny andian-tafika rehetra eto amin’ny firenena nandray anjara tamin’ny matso omaly teny Mahamasina izay teo ambany fitarihan’ny Contre-Amiral Antoine de Padoue Ralaivoseheno komadin’ny tafika an-dranomasina Malagasy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.