Masoivoho amerikanina

> Manara-maso akaiky ny fanisana ny vokatry ny latsa-bato


  • Talata 31 Desambra 2013

Namoaka fanambarana mikasika ny fifidianana notontosaina tamin’ny 20 desambra teo ny Masoivoho amerikanina.

Manantitra ny fiarahabana ny vahoaka Malagasy izahay, hoy ny fanambarana, noho ny nandraisany anjara tao anatin’ny filaminana tamin’ny fifidianana solombavambahoaka sy filoham-pirenena ny 20 desambra teo, izay notohanan’ny Firenena Mikambana. Mbola arahan’ny mpanara-maso akaiky ankehitriny ny fanisana ny vokatry ny latsa-bato ao anivon’ny CENI-T. Mampirisika ny manampahefana Malagasy izahay, hoy ny Masoivoho  amerikanina, hanao izay hahazoana antoka hatrany fa ao anatin’ny fomba fiasa mirindra tsara sy mangarahara no hanatontosana ny fanisam-bato mba ho azo itokisana ny vokatra mivoaka. Hita fa efa madiva hifarana izany fanisam-bato izany, koa ampirisihinay, hoy hatrany ny Masoivoho  amerikanina, ny kandida sy ny antoko politika voakasika mba hanaraka ny lamina napetraka sy handefa ny fitoriana na fitarainana tiany hatao any amin’ny Fitsarana Manokana momba ny Fifidianana (CES) alohan’ny 31 desambra (anio), daty farany ahazoana mandray izany.

Miara-miombona amin’ny fanantenan’ny vahoaka Malagasy i Etazonia mba ho mariky ny fiantombohan’ny fiverenana amin’ny fitondrana demokratika eto Madagasikara izao fifidianana izao. Manentana ny hery velona voakasika rehetra izahay, hoy ny Masoivoho  amerikanina, mba hanao izay mahasoa ny vahoaka Malagasy ho vaindohan-draharaha, ary hiaraka hientana hamerenana ny fanjakana tan-dalàna, hiaro ireo zon’olombelona ekena maneran-tany, ary hiaraka hiasa ao anatin’ny fampihavanana mba hamerenana ny firenena ho amin’ny lalan’ny fiainana ara-politika sy ara-toekarena mirindra. Ho an’ny latsa-bato tamin’ny 20 desambra, dia notohanan’ny Fitondrana Amerikanina ara-bola ny fanaraha-maso nataon’ireo mpanara-maso iraisam-pirenena avy tamin’ny Carter Center, fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana ary mahaleotena. Miara-miasa min’ny Electoral Institute for Sustainable Democracy in Africa (EISA) ny Carter Center amin’ny fanaraha-maso ny lamina mahakasika ny latsa-bato sy fandalinana ny tontolo ara-politika mivelatra kokoa ary ny fanatontosana ny fanisana sy fandravonana ny voka-pifidianana.

 

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT