Actualités

Marovoay Misy mpitondra mitady hanao ampihimamba ny fananan’ny FIFABE


  • Alakamisy 29 Septambra 2011

Malaza ao Marovoay ankehitriny ny fikasan’ny fianakaviana mpitondra ambony ao anatin’ny FAT haka sy hampiasa ny fananan’ny FIFABE izay orinasam-panjakana nitantana ireo foto-drafitrasa niankinan’ny fambolena sy ny fikarakarana ny lemak’i Betsiboka saingy efa nitsahatra niasa valo taona lasa izay.

 Sady nandray an-tanana ny fampidirana rano ny tanimbary no nikojakoja ny lalàna famoaham-bokatra ary nitantana ny trano fitehirizam-bary ity orinasa ity tamin’ny fotoan’androny. Tsy nisy mpanohy intsony ny asany saingy amin’izao fotoana kosa vao mandeha ny feo fa misy mikasa haka ireo fitaovana sy fotodrafitrasa teo am-pelatanany. Tsy mankasitraka an’izany anefa ireo tantsaha satria misy vola be mihodina ao anatiny kanefa tsy azo antoka fa hahazo tombontsoa amin’izany izy ireo. Ankoatra ny FIFABE dia ao anatin’ny fandaharanasan’ity fianakaviana mpitondra ity koa ny fakana ny baka fiampitana an’i Betsiboka. Mampametra-panontaniana ny mponina izany fihetsika izany raha ankatoavin’ny FAT satria ny Distrika hafa toa an’i Sainte Marie sy Soanierana Ivongo mahazo baka vaovao nefa ny hany ampiasain-dry zareo halaina indray. Marihina fa ny orinasa Axius no nitantana ity baka ity teo aloha saingy tsy nisy mpiandraikitra intsony rehefa niongana ny fitondrana Ravalomanana.

 

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT