Actualités

Marc Ravalomanana Nampahery ny fianakavian’i Njaka


  • Alarobia 25 Janoary 2012

Niantso an-tariby nivantana avy any Afrika Atsimo, nampahery ny vady aman-janak’i Njaka Lalaina Rabemiarana, ilay raim-pianakaviana nandeha hitsena an’i Dada teny Ivato ny sabotsy 21 janoary saingy maty voan’ny vongana lakrimozena nalefan’ny Emmo-Reg teny an-dalana hamonjy fodiana, ny filoha Marc Ravalomanana omaly.

 Ao anaty fivoriana tanteraka ity farany, araka ny fampiantsoana nataon’ny Troika-SADC taorian’ny nanakatonan’ny FAT ireo seranam-piaramanidina lehibe teto Madagasikara ka tsy nahafahan’ny fiaramanidina nitondra azy nipetraka teny Ivato. Mahatsiaro ho manana adidy tamin’ny nahalavo ity maherifo ity anefa izy ka nampahery ny fianakaviany, indrindra ilay mananontena sy ireo kamboty mianadahy kely, navelan’ny maty. Araka ny fantatra dia mpikambana anisan’ny mpanorina ny Vondron’olon-tsotra manohana ny filoha Marc Ravalomanana teny Ambondrona i Njaka. Anio no hametrahana ny nofo mangatsiakany eny amin’ny fasan-drazany eny avaradrano aorian’ny fotoam-pivavahana fisaorana an’Andriamanitra hatao etsy amin’ny Fjkm Ambondrona.
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT