Nitafa mivantana tamin’ny Malagasy sy ireo mpomba azy ary ireo mpifidy tao Toamasina tamin’ny alalan’ny antso an-tariby Atoa Marc Ravalomanana ny sabotsy 28 septambra teo.
Tamin’izay no nanamafisany indray fa tsy matahotra fifidianana ny ankolafy tarihiny, ary manana an’ny Dr Robinson Jean Louis izy ireo «izay hitako fa tena ‘favori’, ka hifidy azy isika mba hitsabo an’i Madagasikara”, hoy Atoa Marc Ravalomanana. Notsiahivin’ity farany fa «betsaka ny asa vitantsika nefa ninian’ny sasany notapahana sy noharatsiana ary nosimbana, dia izao hitantsika izao ny vokany : mahantra ny Malagasy, namidy ambongadiny ny harem-pirenena ary latsaka an-katerana lalina i Madagasikara». «Tsy azo ekana izany ka mila tohizana ny lalantsika amin’ny tena fampandrosoana marina tsy mitanila, mba higoka ny tombontsoan’ny hareny sy ny asany ary ny vokatry ny firenena ny Malagasy rehetra”. Nampahalalain’Atoa Marc Ravalomanana tamin’ireo mpomba azy sy ny Malagasy rehetra fa hiverina izy ka ny Dr Ronbinson Jean Louis no hahavita izany. Nambarany fa “raha manaiky sy mandany ny kandida Dr Ronbinson Jean Louis i Toamasina dia hanaraka ho azy ny manerana ny Nosy, satria i Toamasina no vavahadin’ny fampandrosoana”. Ankoatra izay, dia nomarihan-dRtoa Lalao Ravalomanana miara-dia amin’ny kandida Robinson Jean Louis, fa “miasa miaraka isika satria tombontsoa iombonana no katsahantsika ary mila miasa ao anatin’ny finoana isika satria ny vavaky ny marina dia manova zavatra goavana”.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.