Actualités

Maratra teny Mahamasina Ny loha, tratra, lamosina ary ny kibo no tena voa mafy


  • Talata 28 Jona 2016

Mahatratra 23 isa hatramin’ny omaly ireo maratra mafy mbola tazonina etsy amin’ny hopitaly HJRA, hoy ny profesora Rakotoson Olivat Alison, lehiben’ity hopitalim-panjakana ity.

Ny telo amin’izany no vao nodidiana omaly maraina. Ankoatra ny lohan’izy ireo izay lasibatry ny fipoahana dia voa mafy ihany koa ny hazondamosiny, ny tratrany, ny kibony, ny masony, antony mahatonga azy ireo hiparitaka amina sampandraharaha miisa efatra samy hafa. Tafiditra ao anatin’ireo enina mbola arahi-maso akaiky ireo telo ireo. Nasiany resaka manokana tamin’izany ilay olona iray tsy maintsy hatao “scanner” izay nampanantenain’ny filoha fa horaisin’ny fanjakana  an-tanana avokoa ny fitsaboana azy. Nambarany fa surveillance no hatao amin’io olona io ao amin’ny hopitaly iadidiany. Simba mantsy ny scanner an’ny hopitaly ka tsy maintsy any amin’ny hopitaly manara-penitra Andohatapenaka  io marary iray io no karakaraina, tsy mandoa vola. Ho an’ireo telo efa voadidy kosa dia ny iray no tsy mbola nifoha hatramin’ny omaly maraina, ny iray mbola tazonina ao amin’ny efitrano fandidiana raha mbola teo an-dalam-pikarakarana ny iray. Nomarihiny manokana moa fa miisa telo ireo ankizy latsaky ny 15 taona lasibatra tamin’iny loza iny ka zazakely vao 14 volana teny an-trotroan-dreniny ny iray izay voa teo amin’ny tongony, raha zazalahikely 13 taona kosa ny roa ambiny.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • RAISSA RAZAIVOLA
  • Talata 03 Novambra 2026

Tazonina eny Fiadanana

  • 160 taona
  • Talata 03 Novambra 2026

nisian’ny gazety malagasy

  • Voasambotra noho
  • Talata 03 Novambra 2026

ny afera Kolonely Patrick

  • Diplaomasia,
  • Talata 03 Novambra 2026

fambolena, VISA,...

  • TSARAHONENANA
  • Talata 03 Novambra 2026

BEFANDRIANA

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

Hijery ny tohiny
FTT