Ireo olona mendrika sy nahavita zavatra teo amin’ny firenena no tolorana mariboninahitra tahaka izao, hoy ny Lehiben’ny mariboninahi-pirenena Ralitera Etienne omaly teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza nandritra ny fanolorana ny anjaran’ireo mpiasa miisa 170 ao amin’ity Kongresy ity.
Ny fitondrana tetezamita ankehitriny no manolotra ny mari-boninahitra, araka ny tolo-kevitry ny toerana iasany. Anisan’ny nahazo ny anjarany teny amin’ity Lapa ity omaly ny filohan’ny Kongresin’ny Tetezamita Mamy Rakotoarivelo. Efa tamin’ny taona 2010 moa no nahazoany mariboninahitra “Grand Officier de l’Ordre National” fa izao vao natolotra ofisialy. Na dia mbola ao anatin’ny tetezamita aza isika dia ataonay mpitantana ato amin’ity Kongresy misy anay ity vaindohan-draharaha ny fampiofanana ireo mpiara-miasa ato mba hanana mpiasa tena matihanina tanteraka eo amin’ny andraikitra sahaniny, hoy izy. Nisy koa ny fanolorana ny diplaoma ho an’ireo mpiasan’ity Lapa ity nanaraka fiofanana manokana teny amin’ny INPF sy Alliance Française ary tany amin’ny orinasa samihafa.
Mikasika ny toe-draharaha misongadina eto amin’ny firenena ankehitriny dia nambaran’i Mamy Rakotoarivelo tamin’ny mpanao gazety niresaka fohy taminy fa tsy mbola nahita ilay fehin-kevitra navoakan’ny Diniky ny samy Malagasy izy. Aminay ankolafy Ravalomanana, hoy izy, dia tsotra : izahay efa nanao sonia an’ilay tondrozotra, efa nampiditra olona tao anaty governemanta, efa nampiditra olona ao anaty Parlemanta ka manaiky izahay fa iny tondrozotra iny no tokony harahina. Ka raha iny no harahiny dia tokony hapetraka tsara ny fanarahana azy fa tsy izay mahametimety ny sasany fotsiny no atao amin’izy io fa tokony harahina ambongadiny manomboka amin’ny andininy voalohany ka hatramin’ny faha-45.
Na tsy tonga lafatra aza izy iny fa mampiseho kosa fahavononana ny tsirairay hiara-hiasa an-kitsim-po. Na teo aza ny fandikana ny fifanarahana noho ireny NOTAM sy antsojay natao tamin’ny filoha Marc Ravalomanana sy ny fianakaviany farany teo ireny dia matoky ny Troika SADC izahay amin’ny fampiharana ny sori-dalana antsakany sy andavany. Raha mikasika ny fiantsoan’ny FFKM amin’ny dinika hatao indray dia tena ilaina izy io, hoy i Mamy Rakotoarivelo, fa efa voalaza ao amin ny andininy faha-28 amin’ny tondrozotra io fa mpanara-maso ny fanatanterahana azy io izy ireo ka mifameno ny asany sy ny SADC.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.