Actualités

Mampikony Hanao HIMO ny mpianatra ?


  • Alatsinainy 13 Febroary 2012

Nanaitra ny ray aman-drenin’ny mpianatra ny nandrenesan’izy ireo ny fanentanana mikasika ny andron’ny sekoly any Mampikony hatao ato ho ato, fa dia ampitondraina fasika, vatokely sy angady, ny mpianatra fa hoe hanamboatra ny lalan’ny Kaominina.

 Aminay dia natao hanadiovana ny toeram-pianarana sy ny manodidina ny andron’ny sekoly fa tsy fanaovana HIMO na asa tanamaro fanaovan-dalana, hoy ireo ray aman-dreny ireo. Fa any Tolagnaro dia hatairana koa ny an’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra manoloana ny fampandoavana vola 100Ar isan’olona ny mpianatra, hividianana ranom-boankazo (?), ho fanamarihana ny andron’ny sekoly ny 15, 16 ary ny 17 febroary izao. Araka ny fantatra dia maro amin’ireo mpampianatra sy mpanabe tsy faly amin’izany fampandoavana vola izany.
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT