Mamofompofona hala-bato

> Raviravizana 13 tapitrisa ireo Ben’ny tanŕna ?


  • Alatsinainy 09 Desambra 2013

Andro sisa isaina dia hivalona hatreo ny fitondran’ny mpanongam-panjakana.

Efa mandindona azy ireo izany ka dia ny mamalifaly tena no hany sisa ataon’izy ireo any am-pitetezam-paritra any sady manao veloma ihany koa fa voatery handao ny fitondrana, hiala amin’ny seza. Tsy amin-kery toy ny nandraisan’izy ireo fahefana, fa ara-pomba demôkratika. Efa fampiomanana rahateo ny vokatra nomen’ny Malagasy azy ireo tamin’ny fihodinana voalohany tamin’ny 25 oktobra iny. Fampideram-pananana sy vola sisa no ataon’izy ireo ankehitriny. Fiaramanidina telo sy helikoptera telo no indray nahetsika tany Mahajanga ny sabotsy teo, niaraka tamin’ny mpanakanto maro. Nitohy tany Antsiranana indray omaly. Atao avokoa izao kazarana fisehosehoana sy zavatra mirentirenty rehetra izao mba hanariana dia ny olona tsy hahatsiaro ireo zava-doza nitranga nandritra ny fitantanan’izy ireo, toy ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena, ny fitotongan’ny toekarena, firongatry ny asan-jiolahy, ny firoborobon’ny kolikoly raha tsy hiteny afa-tsy ireo. Mandrovi-tsihy tanteraka ny mpanongam-panjakana amin’izao faramparany izao satria efa tsy matoky ny heriny intsony. Mandeha aza ny feo fa dia misy fandraviravizana volabe hatramin’ny 13 tapitrisa ho an’ireo Ben’ny tanàna ary 25 tapitrisa ho an’ny Distrika “miasa tsara” sns, ka aleo mailo satria vao mainka ho zava-doza raha olona toy izany no mbola hitantana ity firenena ity.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT