Miaina ao anatin’ny loto sy ny fako ny kapitaly ekonomika noho ny olana ara-bola eo anivon’ny Kaominina, ny fahasimbana sy tsy fahampian’ny fiara mpanala fako izay tamin’ny fitondrana Ravalomanana, fito taona lasa izay, no nahazoan’ny Kaominina Toamasina izany farany.
Tsy vao tamin’iny faramparan’ny taona sy izao fiandohan’ny taona izao ihany no niaina izao olana izao i Toamasina fa nandritra ny krizy mihitsy noho ireo fanampiana ara-bola tokony homen’ny fanjakana azy tsy nisy na zara raha nisy tao anatin’ny dimy taona. Ny hetra mba hany fidiram-bolany lany andoavana ny karaman’ny mpiasa ny 90% ka ny 10% sisa no mba isahanana ny asa samy hafa miandry ny Kaominina. Nisy ny fampanantenana nataon’ny filohan’ny tetezamita nandritra ny fitokanana ny zava-bita tao Toamasina, roa taona lasa, fa hanome fiarabe miisa roa ny Kaominina hanampiana azy amin’ny fanalana fako. Voalaza mihitsy aza tamin’izay fa efa vita ny tolo-bidy mikasika izany fa ny fanaterana sy ny fanolorana azy sisa no andrasana. 24 volana aty aoriana, tsy hita ilay fiarabe nampanantenaina, ny fako tao anatin’izay nivangongo eran’ny tanàna, ny fanampiana ara-bola omen’ny fanjakana ny Kaominina ihany koa zara fa nisy. Ankoatra ireo, raha noheverina fa ho vita ny volana desambra lasa iny ary nidirana nanaovana ny “Bazar de Noel 2013” ilay tsena vaovao ao Bazary be, dia tsy izay no mitranga fa zara raha vy vitsivitsy manamarika ny haben’ny tsena vaovao no mitsangana ny faran’ny taona teo. Hatreto anefa, tsy misy ny fampitam-baovao avy amin’ny Kaominina tompon’ny asa na ireo mpamatsy ny vola ahitana an’Ambatovy amin’ny alalan’ilay vola 25 tapitrisa dolara nomeny anaovana asa sosialy, ireo orinasa misahana sy nahazo ny asa ao anatin’izay raha anontaniana tsy manome vaovao. Vokany, miaina ao anatin’ny tsena namindrana azy ireo hatrany ireo mpivarotra, fotoan’ny orana sy ny rivodoza anefa izao, ny tsena namindrana azy ireo ao anatin’izay feno rano mandritra ny orana, manginy fotsiny ireo fivarotana mameno ny sisin-dalana izay mety hahitan-doza noho izy ireo manakaiky sekolim-panjakana.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.