Malagasy monina any Amerika Avaratra

> Sarotiny amin’ny hoavin’i Madagasikara


  • Alakamisy 02 Janoary 2014

Mahatsiaro ho manana adidy goavana amin’ny trangan-javatra misy eto amin’ny firenena ireo teratany Malagasy mipetraka sy monina any Amerika Avaratra hatramin’ny nisian’ny fanonganam-panjakana ny volana marsta 2009 no ho mankaty.

Tsy nitsahatra izy ireo nanaraka akaiky ny fizotry ny toe-draharaha niainan’ny vahoaka tao anatin’izay efa-taona mahery naharetan’ny tetezamita lavareny izay. Nanambara mazava ireto zanak’i Madagasikara miaina any Amerika Avaratra ireto fa noverezin-jo ny Malagasy nandritry ny fitondrana tetezamita ary tena sarotra ny lalana nodiavin’ny firenena vao tonga tamin’ny dingana noheverin’ny maro an’isa fa hivoahana amin’ny krizy lalim-paka ankehitriny dia ny fanatanterahana ny fifidianana izay hany lalan-tokana hiverenana amin’ny fanjakana tan-dalàna. Mihevitra ireo Malagasy mpila ravinahitra any Amerika Avaratra fa ilaina ny mangarahara amin’ny fotoam-pifidianana sy fanisam-bato taorian’ny fifidianana. Mitaky fanatontosana ny asa am-panajana sy am-pahamarinana ary tsy mitanila amin’ny adidy sy andraikitra izay noraisiny amin’ny CENI-T izy ireo satria ny hoavin’ny firenena no lalaovin’ity Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana mandritra ny tetezamita ity. Tsy nisalasala ihany koa izy ireo niantso ireo mpifidy amin’ny tsy maintsy hijoroan’izy ireo ho fiarovana ny safidy natao izay tena sarobidy sy manan-danja goavana tokoa. Ho an’ny fianakaviambe iraisam-pirenena moa dia mila mandray andraikitra hatramin’ny farany tamin’ny asa efa natomboka izy ireo, hoy ny teratany Malagasy any Amerika Avaratra ka tanjona farany amin’izany ny famerenana an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny fifidianana madio sy mangarahara.

 


Ramano F.  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison FĂ©lix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT