Actualités

Malagasy miasa any Moroni Mijaly mafy


  • Alarobia 22 Jona 2016

Toy ny tsy misy Raiamandreny ireo tera-tany Malagasy monina sy miasa atsy Moroni-kaomoro hoy Rabenilalana Roger, solontenan’ny malagasy tany an-toerana teo aloha.

 

 Raha araka ny fanazavany mantsy dia tena mijaly  tokoa ireo malagasy any an-toerana indrindra fa ny vehivavy. In-dray mandeha isan’andro ihany mantsy  izy ireo no misakafo  raha  mahatratra in-telo eto amintsika. Ankoatra izay dia tsy mahazo mivoaka ny trano ihany koa izy ireo, izay efa mahatratra  telo taona mihitsy ny sasany, hoy hatrany Rabenilalana Roger, noho ny fakan’ireo kaomôriana vadiny ny pasipaorony.  Manginy fotsiny, hoy hatrany ity raim-pianakaviana nijoro vavolombelona  ity, ny tsy famelana ireo vehivavy malagasy hody eto an-tanindrazana raha mbola afenina ny fianakaviany ihany koa ny zanany.  Nanambara moa Rabenilalana Roger fa fantatry ny filoham-pirenena sy ny praiministra lehiben’ny governemanta tsara io olana  mianjady amin’ny malagasy any an-toerana io saingy tsy misy mihaino izy ireo. Maika araka izany hoy hatrany izy ny fanoloana ny masoivohontsika ao Comores satria tsy miaro ny tera-tany Malagasy toa azy akory.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • RAISSA RAZAIVOLA
  • Talata 03 Novambra 2026

Tazonina eny Fiadanana

  • 160 taona
  • Talata 03 Novambra 2026

nisian’ny gazety malagasy

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

Hijery ny tohiny
FTT