Maitre Gims

> Hanolotra seho matihanina


  • Alakamisy 09 Janoary 2014


Tonga eto Madagasikara hatry ny omaly i Maitre Gims, mpanakanto frantsay malaza amin’izao fotoana, raha efa nandrasan’ireo mpankafy azy hatramin’ny volana desambra 2013. Seho goavana roa no hotanterahina eto an-drenivohitra amin’izao fahatongavany izao. Efa tontosa omaly alina tetsy amin’ny Carlton Anosy ny voalohany izay natao hanangonana vola hanohanana ny fikambanana Ezaka Atsimondrano amin’ny asa soa tanterahiny. Mbola hisy koa ny fiakarana an-tsehatra eny amin’ny Coliseum Antsonjombe ny alahady ho avy izao izay entina hanomezana fahafaham-po ho an’ireo mpankafy manerana ny Nosy. Hizara roa ny fotoana ka mpanakanto Malagasy no hiaka-tsehatra voalohany, anisan’izany ry Y-Zit, Marion, Agrad&Skaiz, Meizah … Manomboka amin’ny telo ora tolakandro kosa no hiaka-tsehatra i Maitre Gims mandritra ny adiny iray latsaka fahefany eo ho eo.

Nofy R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT