Actualités

Maître Avoko Hamory vahoaka etsy Andrefan’Ambohijanahary


  • Alakamisy 16 Febroary 2012

Noho ny fahatsapana ny fahasahiranan’ny firenena sy ny tsy fivahan’ny krizy araka ny nandrandrain’ny rehetra dia mihetsika indray ry zareo mpikatroka kung fu mivondrona eo anivon’ny ANAWI, izay tarihan’ny Maitre Avoko Rakotoarijaona.

 Koa dia mikarakara fihaonana lehibe eny amin’ny Espace Mon Goûter Andrefan’Ambohijanahary izy ireo ny alahady 19 febroary tolakandro. Afaka hatrehan’ny olom-pirenena rehetra mangetaheta ny tena fiovana sy ny famahana ny krizy moa izy ity. Araka ny fanazavan’ny Maître Avoko dia tapi-dalan-kaleha ny Malagasy ankehitriny, mitombo isan’andro ny olana ara-piainana, ara-bola, ara-tokatrano, arak’asa, noho ny fitarazohan’ny krizy politika. Manoloana izany fahasahiranana matevina izany dia maro ihany koa ny olona mahatsapa, ankehitriny fa Andriamanitra irery sisa no azo ianteherana amin’izao zava-mitranga izao. Ny Maître Avoko, izay efa nanao ny hetsika “Mifohaza ry Gasy”, taona vitsivitsy lasa izay, dia mahatsapa fa manana tombam-bidy goavana efa nomanin’Andriamanitra ho azy i Madagasikara, amin’ny maha tany voafidy sy manankarena azy, ka tsy tokony ho kivy mihitsy ny Malagasy, araka ny fanazavany ihany satria ho avy tsy ho ela ilay masoandro maraina. Hisy fanazavan-kevitra, arahana fanontaniana ary fampahafantarana ny tantaran’i Madagasikara sy ny fiandohany ary ny fikasan’Andriamanitra ho azy, mandritra io hetsika amin’ny alahady io. Ka horesahana ao, na ny lafiny ara-pinoana, na ny ara-tantara sy ny ara-politika, hatramin’ny zavatra manahirana ny isam-batan’olona sy ny isan-tokantrano. Mazava ho azy moa fa hisy ihany koa ny soso-kevitra ny amin’ny vahaolana hialana amin’izao krizy izao. Somary nangina ny Maître Avoko Rakotoarijaona sy ireo mpiara-dia aminy tato ho ato izay. Tsy natory anefa na nipetra-potsiny izy ireo, araka ny fanazavana azo, fa dia nitety faritra maro manerana an’i Madagasikara. Izany no natao dia mba hamantarana sy hijerana ifotony ny zava-misy marina sy ny hetahetan’ny olona. Tsy maintsy misy ny lafiny ara-teknika amin’ny famahana izao krizy mikiky sy mamotika ny firenena iao, saingy tsy tafavoaka mihitsy isika raha tsy miverina amin’Andriamanitra, hoy ihany i Avoko Rakotoarijaona. Dia ho hita eo izany izay hambaran’ny kung fu, momba ny raharaham-pirenena amin’ny alahady ho avy izao.
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT