Maitre Avoko

> Hiaro hatramin’ny farany ny vaton’ny Dr Robinson izahay


  • Talata 17 Desambra 2013

Noho ny fitiavana ny hivoaka haingana amin’ny krizy dia nanaiky ny voka-pifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany Atoa Sylvain Rabetsaroana sy ny Kung Fu Wisa ary ny antoko Madagasikara Afaka na MAF tarihan’ny Maitre Avoko Rakotoarijaona, na dia heverin’izy ireo aza fa maro dia maro tokoa ny trangan-javatra mampiahiahy.

Amin’ity fihodinana faharoa ity moa dia nisafidy ny hanohana an’i Robinson Jean Louis ary tazana foana amin’ny fitetezam-paritra ataon’ny kandida laharana 33 Atoa Sylvain Rabetsaroana. Ny Maitre Avoko kosa dia nanome fiofanana manokana an’ireo mpikatroka manerana ny Nosy ka fantatra izao fa dia hametraka olona isaky ny birao fandatsaham-bato 10 000 manerana ny Nosy izy ireo hanara-maso hanara-maso ny fanisam-bato sy ny vokatry ny fifidianana isaky ny birao fandatsaham-bato, izany dia mba ho fiarovana ny vaton’ny Dr Robinson Jean Louis. Manamafy moa Atoa Sylvain Rabetsaroana sy ny Maitre Avoko fa mila fanadiovana haingana ao anatin’ny fahamarinana sy ny mangarahara ny firenena ka ny olona madio tanana tahaka an-dradoko no hiaraha-miasa hanatanterahana izany. Momba ny faradoboky ny kandida laharana -33 amin’ny alarobia izao kosa dia nanamafy ny maitre Avoko fa ho avy mafonja eny amin’ny Coliseum ireo mpanao kung fu sy ny tenany manokana. Hanotrona eny an-toerana ihany koa Atoa Sylvain Rabetsaroana.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison FĂ©lix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT