Miaina sy mahafantatra tsara ny zava-misy eo anivon’ny fiarahamonin’ny vahoaka malagasy sy ny dingana rehetra efa nolalovan’ny firenena ny Fikambanan’ny Maintimolaly teny amin’ny Oniversiten’i Madagasikara na «Association des Anciens Universitaires de Madagascar» AAUM.
Na dia nosarahan’ny asa aman-draharaha sy ny firehana ara-politika tsy mitovy aza ireto mpikambana mpiara-mihira teny amin’ny anjerimanontolo fahizay ireto dia tsy mahasakana azy ireo izany ankehitriny mamondrona indray ny firaisan-kina sy ny hery ho tombontsoan’ny vahoaka malagasy 20 tapitrisa mahery. Mila fifanomezan-tanana sy fiaraha-mientan’ny rehetra ny fanarenana ny firenena izay difotry ny fahalovana sy ny lavon’ny fahantrana tanteraka, hoy ireto manampahaizana nivoaka teny amin’ny Oniversiten’i Madagasikara ireto ka izany no nahatonga azy ireo mijoro sy miatrana vonona handray andraikitra ho valin’ny antso nataon’ny filoham-pirenena amin’ireo asa fampandrosoana ilaina eto amin’ny firenena malagasy. Porofon’izany ny efa nametrahan’ny AAUM fihaonana amin’ny filohan’ny Repoblika Rajaonarimampianina Hery tamin’ny 05 febroary 2014 izay andrasana tsy ho ela ny valiny, hoy ny mpikambana Rasambozafy Cyrille. Mihevitra ny Fikambanan’ny Maintimolaly teny amin’ny Oniversiten’i Madagasikara manoloana ny zavatra iainan’ny mpiray tanindrazana amin’izao fotoana izao fa ilaina ny fanomezan-danja ny traikefa sy ny fahaiza-manaon’ny manampahaizana Malagasy efa vita sedra, izay fototra iray tena goavana amin’ny fijoroan’ny Fanjakana matanjaka. Amin’ny AAUM dia tsy mitombina velively ny adihevitra amin’ny fanendrena izay ho Praiminisitra vaovao ho avy eo rehefa manana ny tohana rehetra ilainy ny filoham-pirenena voafidim-bahoaka farany teo. Mbola manao antso avo amin’ireo maintimolaly nandalo teny amin’ny anjerimanontolo malagasy moa ity fikambanan’ny manampahaizana malagasy nanovo fahalalana teny amin’ny Oniversiten’i Madagasikara ity hanatevin-daharana azy ireo izay nifamotoana tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny 67 Ha omaly zoma 14 febroary 2014.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.