Actualités

Mailaka niparitaka tamina orinasa Mbola tantara mitohy


  • Alarobia 28 Desambra 2011

Velon-taraina ireo mpiasa miisa dimy avy amina orinasa goavana iray ao Antsirabe.

 Voaendrikendrika ho nanaparitaka mailaka mitory fandrahonana ho faty tany amin’ireo tomponandraikitra tao amin’ity orinasa ity izy ireo. Hiharan’ny tsindry hazo lena izy ireo amin’izao fotoana ka nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly talata 27 desambra namborahany ny alahelony. Raha tsiahivina dia efa niakatra fitsarana ity raharaha ity ka nahazo fahafahana noho ny fahafenoan’ny porofo ireto mpiasa ireto. Tsy nijanona teo anefa ny tomponandraikitry ny mpiasa fa nikaroka fomba hafa indray nandetehana ireto mpiasa dimy ireto. Tany amin’ny sampandraharahan’ny fanaraha-maso ny asa no nilazany fa tokony hoesorina hiasa ireto olona ireto satria efa foana ny fitokisan’ny orinasa azy ireo.

Anisan’ny mampitaraina ireto mpiasa ireto ihany koa ny nanafoanana avy hatrany ny zon’izy ireo kanefa tsy mbola voaroaka izy. Na ny fitsarana aza mbola amin’ny 31 janoary 2012 vao hatao. Raha ny naoty nataon’ny tale jeneralin’ity orinasa ity nivoaka ny datin’ny 14 novambra dia tsy tokony ho tapaka avokoa ny zon’izy ireo arak’asa mandra-pivoaka ny didim-pitsarana. Notapahin’ny tomponandraikitra ao Antsirabe anefa izany ka anaovan’ireto mpiasa ireto fitarainana. Andrasana ny fivoaran’ny raharaha. Raha ny fantatra dia fanaon’ny tomponandraikitra ao amin’io orinasa io ny mitory mpiasa rehefa tiany horoahina ny mpiasa ka mitondra ny raharaha eny amin’ny fitsarana.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT