Maherifon’ny Firenena

> Hitety faritra hilaza ny tsy ara-dalŕna ataon’ny FAT


  • Alatsinainy 02 Desambra 2013

Namory mpanao gazety ny fikambanana “Maherifon’ny firenena” ny sabotsy lasa teo namotsipotsirany ireo tsy fanarahan-dalŕna ataon’ity fitondrana tetezamita tarihin’i Andry Rajoelina ity.

Fikambanana izay ivondronan’ireo nitondra takaitra nandritra izao fitondrana izao moa ny “Maherifon’ny Firenena”. Mbola miisa 14 araka ny nambaran’izy ireo ny olona nogadraina tsy ara-drariny ka tsy mbola navoaka hatramin’izao ary misy amin’ireo anefa no efa nahazo famotsoran-keloka. Natao ho zanak’ikalahafa ihany koa izy ireo amin’ny fanolorana fanampiana satria ny AV7 irery izay mpiara-dia amin’ny fitondrana no notolorana izany. Manoloana izany dia milaza izy ireo fa handeha hitety faritra, indrindra fa ireo faritra nipoiran’ireo gadra tsy mety afahan’ny fitondrana ireo, hilazany ny tsy rariny mihatra amin’ny zanak’ilay faritra. Efa niezaka nanatona ireo mpitondra fanjakana ihany izy ireo saingy tsy nahazo valiny mahafa-po hatreto. Na izany aza dia milaza ireto mpikambana ireto fa vonona ny hihavana amin’ireo nanagadra, nampitondra takaitra ary namono ny namany.

 

Nofy R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT