Actualités

Mahamasina Misy misoloky ho voahosin’ny fiara koa


  • Zoma 10 Febroary 2012

Saika nitohana ny fifamoivoizana tetsy Mahamasina anoloan’ny fiantsonan’ny zotram-pitaterana 184 andavanandro omaly andro tsena satria nisy lehilahy iray nisary adala mody nilaza fa voahitsaky ny kodiaran’ny zotra iray nandalo teo

 Nisahotaka na ny mpandeha tao anaty fiara, na ny saofera sy resevera hatramin’ny olona tety ivelany. Nisy ny avy hatrany dia nandrangitra ny amin’ny tsy tokony hamelana hiala maina ny saoferan’ity fiara ity, niaraka tamin’ny hiaka sy rahom-bavan’ilay lehilahy hoe voahitsaka koa izany. Nisy nijoro ho vavolombelona maromaro anefa nilaza fa tsy voahitsaka na voadona kely akory ilay lehilahy fa efa fomba fanaony hatreny Ampefiloha nahitan’ny olona azy io. Ireo vavolombelona ireo no nahaingana ny raharaha ka nisavan’ny lalana vetivety. Mitatra tokoa ny sain-dRaolombelona ao anaty krizy â ! Mitandrema ihany fa malama maina ny tany ê !
Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT