Actualités

Mahamasina Grenady rosiana ilay nipoaka ?


  • Alakamisy 30 Jona 2016

Mampiahiahy ny maro ny fiovaovan’ny seraseran’ny fanjakana manodidina ilay fipoahan-javatra teo amin’ny kianjaben’i Mahamasina ny harivan’ny 26 jona,

 

 fanjakalazana fetim-pirenena sady fetin’ny foloalindahy rahateo, izay nahafatesana olona miisa telo ary naharatrana 91, raha ny tonga tao amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha. Ora vitsy taorian’iny loza iny mantsy dia nanambara mazava sy tamin’ny teny hentitra ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Olivier, rehefa avy nijery ireo niharan-doza tonga tao amin’ny HJRA, fa “grenade offensive” no nipoaka teo Mahamasina. Tena mahery vaika raha io karazana grenady ambarany io. Tsy nilaza kosa hoe : firy no isan’ny nipoaka ? Ny alatsinainy 27 jona, ampitson’io loza io, dia namoaka fanambarana indray ny governemanta tarihiny fa baomba artizanaly nisy kanety vy madinika (bille) ilay nipoaka ary nahitana tahona grenady heverina ho nanapoahana azy teny an-toerana, saingy efa nokosehina ny laharan’ilay grenady. Sasanangy samihafa ny baomba artizanaly sy ny grenady, hoy ny feo re. Tamin’ny andron’ny tetezamita moa no nampalaza ity resaka baomba artizanaly ity teto an-drenivohitra, ary ny fahita tamin’izany dia baikoina amin’ny alalan’ny finday ny fanapoahana azy. Koa inona, ary avy aiza marina izany ilay tahona grenady nambaran’ny fampitam-baovaon’ny governemanta tamin’ny alatsinainy fa hita teny Mahamasina, nefa na vola madinika aza tsy tafiditra tao Mahamasina tamin’io andro io noho ny fisavana hentitra tamin’iny ? Miahiahy ny maro sao mba misy ifandraisany amin’ny vaovao nivoaka tamin’ny haino aman-jery ny harivan’ny sabotsy 25 jona, taorian’ilay fipoahana grenady teo amin’ny toerana fiantsonan’ny fiaran’ny Antenimierandoholona, fa nisy grenady 14 very tamina toby miaramila teto an-drenivohitra. Capsat eny Soanierana avy hatrany no nalehan’ny sain’ny maro vao nahare io vaovao io, noho io toby io mpitahiry ny fitaovana teknikan’ny tafika anisany ny fitaovam-piadiana. Mandeha hatramin’ny tombana fa mety karazan’ireny grenady rosiana, boribory kely malama ireny, no nisy nanapoaka teny Mahamasina. Firy no isan’ny nipoaka ? Tsy nisy filazana mazava momba izay aloha hatreto. Raha iray no nipoaka teo Mahamasina, miampy ny iray nipoaka teo amin’ny Antenimierandoholona ka 14 no very, mbola misy 12 mandehandeha ve izany any ho any ? Velon’ahiahy fatratra ireo ray aman-dreny manan-janaka hiatrika CEPE amin’ny talata ho avy izao manoloana izany sao sanatriavin’ny vava ka hisy hanararaotra io havoriana io hanapoahana grenady indray. Niezaka nanazava ny sain’ny olona, nanala ny ahiahy ihany moa ny teo anivon’ny mpitandro ny filaminana omaly manoloana io resaka miely fa nisy grenady very tany amin’ny toby miaramila io, ka nilaza fa tsy nisy an’izany rehefa nohamarinina, ary mbola mitohy ny fanadihadiana amin’ireo toby miaramila rehetra eto an-drenivohitra. Mbola mizotra moa ny fanadihadiana, ary olona iray no voasambotra ny alahady maraina, narahina fisavana trano nanomboka ny alatsinainy nitohy ny talata. Maniry ny rehetra mba tsy ho maty momoka manaraka ny fotoana toy ny tamin’ny 25 janoary 2014 ity indray mitoraka ity, ka mahatonga ny olona hieritreritra fa sao tetika hanakonana ireo kolikoly avo lenta sy fandrobana ny harem-pirenena ary lainga nokianin’ny fivondronamben’ny Eveka katolika eto Madagasikara, ny FFKM, ny sendika sy ny firaisamonim-pirenena samihafa izao zava-mitranga izao.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • RAISSA RAZAIVOLA
  • Talata 03 Novambra 2026

Tazonina eny Fiadanana

  • 160 taona
  • Talata 03 Novambra 2026

nisian’ny gazety malagasy

  • Voasambotra noho
  • Talata 03 Novambra 2026

ny afera Kolonely Patrick

  • Diplaomasia,
  • Talata 03 Novambra 2026

fambolena, VISA,...

  • TSARAHONENANA
  • Talata 03 Novambra 2026

BEFANDRIANA

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

Hijery ny tohiny
FTT