Lavitra ny tampon-tanànan’i Mahajanga ny fahasahiranan’ny vahoaka amin’ny resaka delestazy lavareny.
Foana ary tsy misy intsony ny fahatapahan’ny jiro sy ny rano ao Mahajanga. Hatrany amin’ny distrikan’i Marovoay aza dia tsy nahitana sy nahenoana izany intsony ankehitriny. Niezaka hatrany ireo mpitantana ny orinasa Jirama amin’ny fanafoanana io fahatapahan’ny jiro sy ny rano io mba hahazo fahafaham-po ireo mpanjifa. Anisan’ireo asa lehibe ny fampirehetana ireo andrinjiro manerana ny tanàna izay ezaka avy amin’ny talem-paritry ny Jirama Rabevahoaka Bruno mba hisian’ny fandriampahalemana isam-pokontany. Matetika amin’ny toerana maizina dia mirongatra ny fanendahana amin’ireo fokontany. Ara-dalàna ny fandehanan’ireo milina lehibe vavao izay efa miasa amin’izao fotoana izao izay an’ny orinasa Jirama ka manaparitaka herinaratra ao an-tampon-tanàna.
Tolin
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.