Ankona i Michel teo ampandraisana ny “relevé de note” raha nahita fa 10,10/20 salanisa ankapobe azony tamin’ny fanadinana bakalôrea farany teo nefa tsy nafahana izy.
Toy ireo mpianatra tsy afaka moa dia efa nionona i Michel ary niandry ampahatoniana fotsiny ny fotoana hahazoany ny “relevé de note”, mba hamantarany ny lesoka nitarika ny tsy fahafahany ka hanarenana izany. Akory anefa ny hagagany sy ny alahelony fa hay 10,10/20 ny naotiny, nefa tsy afa-panadinana izy. Lazaina fa “tsy tonga niatrika ny taranja SVT (sciences de la vie et de la terre) ny alakamisy tolakandro andro farany nanaovana fanadinana” i Michel.
Tao amin’ny Notre Dame Mangarivotra Mahajanga I ny toeram-panadinana niatrehany ny bakalôrea tamin’ny 2011. Tao amin’ny efitra faha-15 no niadinany, ary nilaza i Michel fa «niatrika io taranja SVT io, nefa lazaina fa tsy tao». Nanatona ny «Office du bac» ao Mahajanga i Michel sy ny nenitoany ny 11 janoary 2012 teo. Tsy navela niditra birao ilay nenitoany fa i Michel irery no noresahin’ilay rangahy tompon’andraikitra tao, sady nandray an-tsoratra ny mombamomba ity kandida ity tao dia avy eo nilaza fa miandry antso fa hoe : «mbola hojerena eo !». Tsy nahandry ilay ankizy lahy dia niverina tany amin’ny «Office du bac» indray ny talata 24 janoary teo nefa tsy mbola nahazo valiny fa mbola misy zavatra atao indray ry zareo ao. Naha be resaka ny fanadinana bakalôrea tany Mahajanga tamin’ny 2011 iny. Nahoraka ny hoe baka bôjo fa ity indray kosa dia kandida tokony ho afaka nefa tsy nafahana tsotra izao. Voatery mamerin-taona ao amin’ny lycée Philibert Tsiranana, sokajy A, i Michel amin’izao fotoana.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.