Fitondrana am-bavaka ny tolona sy ny firenena, sahoby niaraka tamin’ireo mpanakanto, kabary fohifohy nentin’ireo olom-boatendry samihafa avy amin’ny ankolafy Ravalomanana ary fifampizarana nofon-kena mitam-pihavanana no hetsika nentin’ny ankolafy Ravalomanana nifampiarahaba nahatratra ny taona 2012 tetsy amin’ny kianjan’ny Finoana Magro Behoririka tamin’ny sabotsy teo. Hetsika tsimialonjafy raha ny fahitana azy satria na ireo nanohana an’i Andry Rajoelina teny amin’ny 13 mey tamin’ny 2009 aza tsy nisalasala fa tonga tao, angamba tsy dia noho ny sakafo loatra fa kosa resy lahatra fa any amin’i Dada ny lakilen’ny fampandrosoana. Nosafidiana io daty io, hoy ny CST Jules Andriamaholison, satria fantantsika tsara fa tsingerintaona fahatelon’ny fanonganam-panjakana nitranga teto Madagasikara ity 17 martsa 2012 ity.
Telo taona lasa izay dia voatery niala teto an-tanindrazana ny filoha Marc Ravalomanana, hoy izy, noho ny basy sy tafondro, ka nosafidiana ny andron’ny 17 martsa hoentina milaza fa fiandohan’ny fifaliana amin’ny fandresena ho avy ny fifampiarahabana nahatratra ny taona izao. Ny fahazoana fandresena moa mazava ho azy fa ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana eto an-tanindrazana, hoy hatrany ny CST Jules Andriamaholison. Hita ao anatin’izao hetsika izao, hoy ity farany, fa mbola ao tsara ny Zanak’i Dada amin’ny hafanam-po amin’ny tolona ary fanomezana risi-po ho azy koa no tena anton’izao hetsika izao.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.