Actualités

Magro Behoririka Manampy ireo traboina ihany koa


  • Zoma 24 Febroary 2012

Tsy tolona sy fampitam-baovao ihany akory no tanterahana etsy amin’ny Magro Behoririka fa misy ihany koa ny hetsika manokana hanampiana ireo mpiray tanindrazana niharam-boina sy tra-pahasahiraana tamin’ny fandalova’ny rivodoza Giovanna farany teo.

 Koa misy, araka izany, ny voin-kava-mahatratra hanangonana ireo voatsirambin’ny tanana ka hanampiana ireo tena sahirana noho iny andro ratsy iny. Miara-miory amin’ireo traboina ary tena mahatsiaro tanteraka azy ireo ny zanak’i Dada izay mifampitaona isan’andro etsy amin’ny Magro Behoririka ka nanapa-kevitra ny hanangona ny fanampiana avy amin’izy ireo tsirairay avy, na vola io na entana. Efa mipetraka moa ny fifandaminana ka misy ny miandraikitra ny fanangonana ny fanampiana ary misy ihany koa ny mitsinjara izay avy eo. Araka ny nambaran’ny mpitolona iray teny amin’ny Magro dia fanatanterahana sy fanohizana ny hafatry ny filoha Ravalomanana ny amin’ny tsy maintsy hifanampian’ny samy malagasy izao hetsika izao, ary hitohy foana. Manamafy ihany koa ireo mpitolona eny amin’ny Magro fa tsy voatery ho manampahefana sy mahazo seza tsy akory vao afaka manasoa ny mpiara-belona. Rehefa misy ny fahavononana dia atao avy hatrany ny asa. Arak’izany dia tanterahana isan’andro, fa tsy hifidianana andro iray miavaka, ny hetsika ataon’ny zanak’i Dada etsy amin’ny Magro Behoririka mba ho fanampiana ireo mpiray tanindrazana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT