Magro Behoririka

> Herinandro fanomanana amin’ny fandresena


  • Alatsinainy 25 Novambra 2013


Herinandro handraisana toromarika eny an-kianja ity herinandro diavina ity ary na ao anaty propagandy aza dia hisy hatrany. Ny filoha Ravalomanana mihitsy no efa nilaza, hoy Raveloson Constant fa raha tsy izy no mody dia tsy mifarana ny hetsika ato amin’ny Magro. Ka dia hiroso amin’ny fanomanana amin’ny fampielezan-kevitra mahomby isika, hohatsaraina ny fihodinana faharoa satria hanangana fanjakana maharitra, miorim-paka ary hamirapiratra fandresena, ary miara-miasa amin’ny solombavambahoaka. Asa be izany, hoy Raveloson Constant ka tsy hisy toerana ho an’ny valifaty fa ny fifidianana ihany ny antsika. Mazava ihany koa izao, hoy hatrany Raveloson Constant fa hamarana ny taom-piasany miaraka amin’ny filohan’ny tetezamita ireo miaramila mameno ny faritra. Firy taona izay tsy nandry ny tany fa iray volana tsy hialan’ny tetezamita ve vao taitra ka napetraka ny governora miaramila ?

 

RHR

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT