Magro Behoririka

> Hangotraka ny hetsika anio sabotsy


  • Sabotsy 04 Janoary 2014

Samy nampanakoako ny tsy fanekena ny voka-pifidianana vonjimaika navoakan’ny CENI-T avokoa ireo mpitarika nandray fitenenana tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly ary naneho fahavononana avokoa amin’ny hihetsehana amin’izay.

Ny hetsika hatao eto, hoy Atoa Raveloson Constant, dia tsy midika avy hatrany hoe hivoaka ny kianja. Miandry toromarika ny amin’izany, hoy izy, fa mbola manana raiamandreny to teny sy eken’ny rehetra eto. Taomy avokoa ny Havana aman-tsakaiza, ny tapaka sy namana any an-tanàna any, aloha, ary atombohy eo amin’izay Fokontany misy anao ny fampahafantarana fa tsy manaiky ny fanosihosena ny safidinao ianao ! Mitenena hanaitra ny vahoaka tsy mandady harona fa nisafidy namoaka ireny voka-pifidianana feno hala-bato ireny ny CENI-T n’inon-kidona n’inon-kihatra. Ho mafimafy, araka izany, ny fanohizana ny tolona eto amin’ity kianja ity fa tolona iombonana ny famerenana ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana. Ho avy hanatevina ny hetsika ny solontenan’ny avy any amin’ny Faritra, hoy ny feo heno tetsy Behoririka omaly ihany. Hiavaka ary hangotraka, araka izany, ny hetsika lehibe hotanterahina eny amin’ny Magro Behoririka anio sabotsy 4 janoary.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT